Politique

Andry Rajoelina Mijabaka sady misy manipy hoditr’akondro…


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Lojika politika tokony hipetraka amin’izao fotoana izao ny fametrahana fitoniana ara-politika, ara-tsosialy, ary indrindra fa ny ara-toekarena izay tena marefo. Ny mifanohitra amin’izany no miseho, ary ny fitondrana tokony hivoy fitoniana no toa miezaka mandranitra sy manangam-pahafavalo.

 

 

 

 Marina fa misy tokoa ny lonilony politika efa 13 taona eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, saingy tonga hatrany amin’ny famonoana olona an-kolaka ve fa mbola tsy ampy ny tamin’ny 2009? Lojikan’ny politika ny fanakianana sy fitsikerana ataon’ny mpanohitra, ary mety ho tafajoboka anaty fandrika ny mpitondra, raha lany andro hampiasa hery sy hanenjika ireo tsy mitovy hevitra. Toa lasa any amin’ny famotehana mihantra aman’aina no hihazakazahan’ny fanjakana, ary tena diso adversera sy mampitombo fahavalo. Miharihary ny ambadika politika amin’ny famongorana manontolo ny orinasan-dRavalomanana saika manerana ny Nosy mba handemena azy, ka adino fa misy Malagasy maro lasibatra, misy Malagasy maro tsy ho faly. Tena finiavana avy amin-dRajoelina ve ny hampitombo ny fankahalan’ny olona azy sa misy mampijabaka? Raha tombotsoa politika, dia mety ho paikady tokoa hampandemena an’i Marc Ravalomanana saingy izay ve ny fomba fiady tsara indrindra? Raha ara-toekarena indray, dia mety ho maro tokoa ny orinasa indrindra fa ny an’ireo vahiny sasantsasany nanjakazaka teto hatramin’izay ary isan’ny efa nanohana an-dRajoelina tamin’ny raharaha fandorana sy fandrobana tamin’ny 2009 no ao ambadik’izao? Azo heverina ho fampijabahana an’i Andry Rajoelina hanaonao foana ahafahana miampanga sy mamingana azy io, ka ireo manodidina ihany no manipy hoditr’akondro.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT