Politique

Andry Rajoelina “Miato avokoa ny sidina avy any Eoropa”


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Nandray fepetra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina eo anatrehan’ny areti-mandripaka coronavirus, izay mandondom-baravarana an’i Madagasikara.

 

 

 Ahato mandritra ny 30 andro ny sidina mampifrandray an’i Madagasikara sy Eoropa: Italie, Frantsa, Espagne, Allemange,…. Isan’ny niantso ny handraisana izay fepetra izay moa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana herinandro lasa izay. Miato ihany koa ny sidina mampifandray amin’i La Réunion sy Mayotte. Tsy mandray « bateau de croisière » na ireny sambo goavana mpitondra mpizahatany anárivony ireny intsony aloha ny seranam-tsambo manerana ny Nosy. Tsy afa-miditra avy any amin’ny faritra ny sidina rehetra avy any ivelany fa eny Ivato irery ihany. Homena hatramin’ny alakamisy 19 martsa ireo namita iraka na mitsabo tena any ivelany hodiany. Nambaran’ny filoha fa miankina amin’ny fihanaky ny aretina ao amin’ny firenena iray ny fandraisana fepetra ao anatin’izany. Misy endri-pisehoany miisa telo io, ka laharana faha-0, dia toy ny eto amintsika, izay mbola tsy misy coronavirus ka ny fisorohana ny tsy hidirany; 1) misy olona vitsivitsy voa; 2) efa mihanaka ilay aretina ka misy olona maromaro voa; 3) efa mahenika ny firenena iray manontolo. Rehefa tonga amin’ny “stade 3” dia ny fanakantonana ny sisin-tany no raisina. Tsy afaka miditra an-tseranana intsony ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro: solika, vary, PPN, izany hoe lasa mitoka-monina tanteraka, rehefa tonga amin’izany. Mandray andraikitra ny fitondrana, mandray ny andraikitra tandrify azy ny manam-pahefana manoloana ny zava-misy sy mety hisy. Mahatoky ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ara-pahasalamana isika, hoy i Andry Rajoelina. Efa miomana raha sanatria tafiditra, ka horaisin’ny fanjakana manontolo ny fitsaboana. Mila mitohy amin’ny andavanandro ny fiainan’ny vahoaka, ka misy ny solika sakafo, fanafody, menaka,… Mitohy ny fifanakalozana ara-barotra mba tsy hitoka-monina ny firenena. Hisy ny fanaraha-maso akaiky ny vidin’entana mba hisorohana ny fanararaotana.

Niantso fiaraha-mientana

Amin’izao no ilaina firaisan-kiana sy firaisam-po, mba hahafahana ny sedra iraisana amin’izao tontolo izao, hoy ny Filoha. Araho amin’ny antsakany sy andavany ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana. Miara-misalahy ny OMS ary vonona hanohana ny fanapahan-kevitra. Andeha hiaraka hisoroka sy hientana hiaro ny tanindrazana. Efa napetraka ny laharana maintso 910. Nomena fofanana ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana niarahana tamin’ny OMS. Napetraka ny “plan de contingence”, izay nahazoana 3,7 tapitrisa dolara. Ampiasaina hoentina hanamafisana ny fampitaovana sy ny toerana handraisana vonjimaika io: tanty, Salle d’isolement temporaire, thermomètre laser, camera eny amin’ny seranam-piaramanidina.

 

Namoaka ny fandaminana ara-teknika mifandraika amin’ity fanambaran’ny filoham-pirenena ity ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ka nanamafy fa manomboka ny alakamisy 19 martsa no manomboka miato ny zotram-piaramanidina ifandraisan’i Madagasikara amin’i Eoropa sy La Réunion ary Mayotte.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT