Politique

Andry Rajoelina Maro ny zavatra mifanipaka ambarany…


  • Talata 16 Jona 2020

Voafehy ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Filoha Rajoelina ny alahady teo.

 

Tetikasa ambara fa himasoan’ny fanjakana anefa ny fananganana toeram-pamokarana fanafody hitsaboana ny valanaretina coronavirus. Ny fananganana orinasa mpamokatra fanafody ary ve izany no mahamaika raha voafehy tokoa ny aretina ? Tena mitombina sy mifanaraka ve ny serasera atao? Ny Minisitry ny fahasalamana Ahmad Ahmad nilaza fa efa « Stade 3 » isika amin’izao amin’izao fotoana izao, fa i Andry Rajoelina naneho fa mbola tsy nihetsika « stade 1 » isika. Ny an’iza no marina dia ny an’iza no diso ? Toa A no tenenina androany dia rahampitso miova B, toy ilay filazan’ny Filoham-pirenena ny 26 martsa fa tsy ny rehetra no voatery manao arotava satria manepotra io, fa ny marary, ny olona mifanerasera amin’ny marary, ny olona mifanerasera amina olona maro toy ny mpiasan’ny banky,… no tokony hanao izany. Ny 27 aprily dia niova indray hoe tsy maintsy manao arotava, ary saziana mafy izay tsy manao. Tsy fampijabahana vahoaka ve izany ny serasera natao voalohany? Nisotro sy nandray CVO avokoa ireo sitrana, hoy ny Filoha ny alahady. Ny sabotsy talohan’io anefa ny Pr Vololontiana Hanta izay mpitondra tenin’ny CCO izao no milaza fa ny ny 2 tamin’ireo marary 5 sitrana no nandray CVO, fa ny 3 tsy afaka nanao izany. Tany aloha ihany koa dia efa nisy olona sitrana nijoro vavolombelo, ary naneho fa tsy mbola tsy nisy CVO tamin’ny fotoana nandraisana an-tànana azy. Tsy fanakianana be fahatany, fa miteraka tsy fahatokisan’ny vahoaka ny mpitondra amin’izay sy mety hiteraka filazana azy ireo ho mpandainga ny fifanoheran’ny zavatra ambara, izay mateti-pitranga.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT