Politique

Andry Rajoelina Manonofy be loatra ?


  • Talata 30 Aprily 2019

Ho avy ny fanampiana ara-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ary dia efa nirarakopana ny fampanantenana nataon’ny filoha fa hanao asa maro.

 

 

 

 Tsy voalohany i Madagasikara no nahazo fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra tahaka izao fa efa hatrany amin’ny Repoblika faharoa. Tamin’ny faramparan’ny taona 1980  ny amiraly Ratsiraka no niditra tamin’ilay fanitsiana ara-drafitra (ajustement structurel). Hatreto aloha, mbola ny fitondrana Ravalomanana no lohalaharana raha ny karazana famatsiam-bola sy ny habetsany no resahana. Nahazo ny anjarany ihany koa ny fitondrana HVM, ary io fa na dia nisy fotoana nanao esoeson-teny momba ny famatsiam-bola sy findramam-bola amin’ireo mpamatsy vola mahazatra aza i Andry Rajoelina dia niditra ihany, 3 volana aty aorian’ny nahazoany ny fahefana. Tsy misy paikady hafa aloha hatreto fa tsy maintsy miditra amin’ny famatsiam-bola i Madagasikara satria izay no miantoka ny 75%-n’ny tetibola ampiasain’ny fanjakana sy hahafahana manorina fotodrafitrasa toy ny lalana, tetezana, sekoly, hopitaly, fanampiana ny tantsaha, fampitaovana ny foloalindahy … “Ny vava no tsy atao be, ny hamerenana azy no sarotra”, hoy ny fiteny Malagasy izay.

Tsy mbola tafavoaka ny ala

Tena tsara ny fahazoana famatsiam-bola ary fanao maneran-tany io. Ny manomboka mampanahy kosa anefa dia ny hampiasana ireo vola azo ireo. Marina fa efa nilaza ny filoham-pirenena fa tsy hananan-kavana sy namana ny fitantanana ny firenena saingy mbola misimisy ihany ireo olona manodidina azy no mampiahiahy satria hafahafa fomba fiasa. Efa azo hanaporofoana izany ny disodiso kely any anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny fahamaikana nilaza fa hatao amin’ny 27 mey ny fitsapan-kevi-bahoaka hanitsiana ny lalàmpanorenana. Avy eo vao nanontany ny hevitry ny HCC ny filoha dia iny nidona tamin’ny rindrina iny. Ny sarety no lasa alohan’ny omby tsinona. Ankehitriny, atao litania indray fa tena ilaina ny fitsinjaram-pahefana ary io no hampandroso ny firenena. Kasaina hotendrena anefa fa tsy hofidian’ny vahoaka ireo governora ary re fa efa maro amin’ireo akamakama fony tetezamita fahiny no efa mahatoky tena fa ho lasa Ragôva ka efa mihevitra azy ho toy ny filoham-pirenena kely sahady. Ankoatra izay, teti-panorona mbola henjana ary mila vahaolana mazava ny fifanolanan’ny filoha Rajoelina amin’ireo kaompanian-tsolika eto amintsika izay fantatra fa tsara tohana avy any ivelany. Ahoana marina ny resaka saran’ny jiro sy ranon’ny Jirama ? Mitaky ny hampiharana ny vidiny tena izy mantsy ireo mpamatsy vola ary anisan’ny fepetra hitohizan’ny famatsiam-bola izany. Haharesy lahatra azy ireo ve i Andry Rajoelina sa efa manana paikady hafa raha toa ka hiantona tampoka io famatsiam-bola io ? Tsy manaiky ny toromariky ny mpamatsy vola ny fanjakana Malagasy fa hoe nikaroka ny mety sy mahasoa ny Malagasy. Efa niady mafy momba an’io tamin’ny fitondrana i Marc Ravalomanana fony izy filoha ka ireny niaraha-nahita ireny ny tohin’ny tantara. Hahavita revolisionina ve i Andry Rajoelina sa ho kendan’ny vomamanga nasesiky ny tanany ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT