Politique

Andry Rajoelina Mangala-tahaka ny MAP


  • Talata 14 Desambra 2010

Tsy dia nisy zava-baovao firy raha ny tena marina ny zavatra nambaran’i Andry Rajoelina, fa raha dinihana lalina dia fandaharan’asa efa voasoratra ao amin’ilay MAP na Madagasikara Am-Perinasa narafitr’i Marc Ravalomanana, ary nampahafantarina ny vahoaka voalohany tamin’ny 12 novambra 2006.

Misy teny ifanomezana valo ao anatin’izy io, ary mifanindran-dalana amin’ny tanjon’ny taona arivo fahatelo amin’ny fampihenana amin’ny ampahany ny fahantrana maneran-tany izany rehetra izany. Hita ao, ohatra, ny fanatsarana ny fampianarana sy ny fanabeazana, asa lehibe ao anatin’io ny fanovana ny rafi-pampianarana, indrindra fa ny eny amin’ny ambaratonga fototra sy ny eny amin’ny oniversite mba hampitovy lenta ny fahalalana sy ny fahaizan’ny zaza Malagasy amin’ny mpianatra rehetra maneran-tany. Mbola mitohy ny fampiharana miandalana ny LMD eny amin’ny fampianarana ambaratonga ambony amin’izao fotoana, na dia nokianina mafy tamin’ny fanatanterahana izany aza ny fitondrana teo aloha. Ao anatin’ny MAP ihany koa ilay hoe fotodrafitrasa mifandray, ka hita ao ny fanamboaran-dalana, tetezana izay tohizan’ny FAT sy hireharehany amin’izao fotoana ireo tetikasa natomboky ny teo aloha.

Ny mikasika ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany moa dia efa io iaraha-mahita io fa ezahan’ny FAT izay hifehezana azy, ary nisy mihitsy aza ny filazana fa tsy maintsy hahitsy ny endri-pifanarahana teo amin’ireo orinasa goavana sy ny fitondrana Malagasy. Ny mikasika ny angovo dia ezaka natomboka tany amin’ny 2004 sy tamin’ny nametrahana ilay politikam-pirenena ho an’ny angovo tamin’ny 2005 ary nohamafisin’ny MAP tamin’ny 2006 no mampahazo aina kely ny Jirama amin’izao fotoana ka nahafahana namerina indray ny fampidirana herinaratra manerana ny nosy. Iza no tsy nahalala fa asa be no nataoan’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny fampidirana rano fisotro madio.

Ny any amin’ny resaka fambolena sy fiompiana moa dia tena ny teo aloha ihany no miverina, tsy misy ny zava-baovao fa dia nanohy ny tetikasa teo aloha fotsiny ny FAT. Santionany fotsiny ireo fa maro no mbola azo ambara eto, nahita sy nahatsapa ny FAT fa mety ary hisy akony tsara amin’ny fiainan’ny Malagasy sy ny fandroasan’ny toekarena ny fanatanterahana ireo tetikasa marobe tao amin’ny MAP koa dia notohizan’izy ireo izany fa saingy novainy kely fotsiny ny fomba filaza azy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT