Politique

Andry Rajoelina Manao terin-kiho am-pandriana


  • Alatsinainy 03 Janoary 2011

Gina ireo niandry fihetsika sy fanapahan-kevitra mivaingana hampisy fitoniana marina eto amin’ny tany sy ny firenena avy amin’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, nandritra ny kabary famaranan-taona sy firariantsoa nataony ny alin’ny 31 desambra 2010.

Niteny izay ka niteny mba “hanjaka eto amin'ny firenena anie ny fitiavana izay ao anatin'ny filamatry ny Repoblika”. Nilaza izy ka nilaza fa “tokony hiaraka hitady ny fomba rehetra hampandrosoana an'ity Firenena mamintsika ity isika ary hitsinjo ny hoaviny. Tokony hifanaja isika ary hatsahatra ny fihetsika sy ny fiteny mandratra ary ny fiantsiana. Aoka izay ny “fifandrafiana”. Ampy izay ny “fifanenjehena”. Tokony hiezaka hifampieno isika. Azo atao tsara ny mifanatona ao anatin'ny fifanajana baikon'ny fahendrena maha-Malagasy. Aoka tsy hisy intsony ny hampizarazara na hampiady ny samy Malagasy fa mba hiray saina sy hiray fo isika. Ka ny “fifandeferana” sy ny “fifanakalozan-kevitra tsy misy ambadika na fiatsarambelatsihy” no hibaiko ny tsirairay” fa ny teo ihany no teo.

Nandrasana taminy ny famoahana ireo gadra politika noho ny fijoroany tamin’ny heviny fa ny nasetrin-dRajoelina izany dia “nisy koa anefa ireo fitakiana tsy nanaraka ny zava-misy izay nanakorontana ny fandehanan-draharaham-panjakana araka ny tokony ho izy. Sarotra tokoa ny manova ny fitondran-tena sy ny fomba fisainan'ny tsirairay avy”. Karazany terin-kiho am-pandriana ihany ny fandehan’ny raharaha. Tao manamafy izany ny nitanisany fa “na teo aza ny fitsapana sy ny sakana samy hafa dia tanteraka soa aman-tsara tao anatin'ny filaminana sy ny mangarahara ny fitsapankevibahoaka (…) Ary na dia tsy nisy aza ny famatsiam-bola avy any ivelany dia mbola vitantsika ihany koa ny nanefa ireo trosa rehetra nobaben'ny firenena Malagasy. Tsy nanao findramam-bola koa isika ary tsy namorona vola tsy misy antoka (na atao hoe “planche à billets”). Tsy nitontongana ny sandam-bola Malagasy fa voatazona ny heriny raha hoarina amin'ny sandam-bola vahiny”. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT