Nanolotra kamiao sy dabam-pako maromaro ho an’ny Kaominina Ivato, Distrika Ambohidratrimo ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.
Nandritra ny lanonam-pitokanana ny kianja manarapenitra ao Mahitsy Distrika Ambohidratrimo, omaly, no nanambarana izany. Manao pi-maso amin’ity tanàna vavahadin’i Madagasikara ity ve i Andry Rajoelina sa resy lahatra amin’ny fitantanan’ny Ben’ny tanàna TIM, Penjy Randrianarisoa, hoy ny mpandinika izay mihevitra fa tsy tongatonga ho azy izao tolo-tanana izao. Ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina Ivato etsy ankilany milaza fa tonga amin’ny fotoana ilana azy ary tena hanampy betsaka ny fiadidiana ny tanàna amin’ny fanadiovana sy fanalana ny fako ny fahazoana ny kamiao sy dabam-pako ireo, ka isaorana ny fitondram-panjakana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.