Politique

Andry Rajoelina Manambitamby an’Antsirabe


  • Alarobia 17 Oktobra 2012

Tena fampielezan-kevitra tanteraka no nitranga tao Antsirabe nandritra ny lanonana fanolorana fiarabe iray ho an’ny tananan’Antsirabe omaly talata 16 oktobra 2012 tolakandro, nataon’i Andry Rajoelina.

 Niova ny fomba fiteniny ka na ny mpanao gazety nanatrika aza gaga fa toy ny miantsehatra ny fomba firesany. Nambarany tamin’izany fa manana tsiambaratelo holazaina ny vahoaka izy dia ny filazana fa tao Antsirabe no nilatsahan’ny tavoniny ka dia nihantahanta tanteraka ranamana nilaza fa sady zanakareo aho no namanareo ary zandrinareo. Nialoha izay moa dia lava dia lava ny fangatahana nataon’ny filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanànan’Antsirabe mikasika ny fitanisana ireo faharatsian’ny lalana ao an-tanàna, ny tsy fahampian’ny jiro manazava niampy ny ezaka fanadiovana ny tanàna izay nolazainy fa vita hatrany amin’ny 80% tao anatin’ny 7 volana nitantanany izay, ary nanaovany fanamby fa ho 200% izany aorian’ny nahazoana ity kamiao iray ity. Ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul, tetsy ankilazany nilaza fa vao herinandro no nangatahany ity kamiao ity kanefa dia nivaly avy hatrany ka dia nangataka indray ny hanorenana Oniversite ao Antsirabe ny tenany satria maro ny zanak’i Vakinankaratra no tsy tafiditra eny Ankatso.

Ankoatra izay dia nangataka fotodrafitrasa ho an’ireo Kaominina Ambanivohitra ihany koa ny tenany. Niraradraraka ny fampanantenana ary tao anaty hantahanta sy tambitamby no nanaovan-dRajoelina izany ka nilazany fa hatsangana faran’izay haingana ny Oniversitem-panjakana ao Antsirabe ary dia ho avy matetika ny tenany hametraka ny vatofehizoron’ny fanorenana sy hanara-maso izany. Hampiana iray ny kamiaon’ny Kaominina, hamboarina ireo dabam-pako miisa 50, hamboarina ny lalana ratsy rehetra ary omena fiara ny mpamonjy voinan’ny tanànan’Antsirabe.

Izay mahavangivangy tian-kavana, hoy izy namarana ny teniny ka dia ho avy matetika amin’izay izy. Hipoka tanteraka moa ilay kianja kely teo an-tokotanin’ny Voirie, satria ireo Ben’ny tanànan’i Vakinankaratra fotsiny dia efa niisa 84 no tonga teo niampy ny mpiasan’ny Kaominina ambonivohitra 550, ireo lehiben’ny Fokontany sy ny lefiny 120, ankoatra ireo mpiasam-panjakana maro sy ireo fikambanana tsy miakina amin’ny fanjakana nasaina manokana. Tanàna anisan’ny mafana vay amin’ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana Antsirabe. Natahoran’i Andry Rajoelina ny nitsidika tao. Manomboka misary zoro ao ity farany, ary dia ny fampanantenana hanorina no nataony bobaka, hambaboana ny fon’ny vahoaka ao an-toerana. Ho avy rahateo ny fifidianana, ka dia ny azy no nataony tonga aloha.

Caïus Raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT