Politique

Andry Rajoelina Manamafy ny fanohanany ny foloalindahy


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Nandray anjara tamin'ny fankalazana niaraka tamin'ny Vondrona Mpiaro ny Filoha

 

 


eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika ny Andron’ny manamboninahitra isaky ny 12 janoary ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly. Semban-drahona anefa ny fankalazana ny andron'ny Manamboninahitra tamin'ity taona ity noho ny fahalasanan'ny lehiben'ny Etamazaorin'ny Tafika anabakabaka, ny Général de Brigade Aérienne Radona Ellis Ratiarivelo, izay nodimandry ny 11 janoary 2021. Toy ny isan-taona dia ny manamboninahitra zandriny indrindra no nitondra ny fibaikona nandritra ny lanonana fananganan-tsaina, narahin'ny fanolorana ny gisa ho an'ny Filoham-pirenena ary ny fanatanterahana ny hazakazaka ara-piralahiana teto amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Nanantitra ny fiarahabana ireo manamboninahitra manerana ny Nosy ny Filoha Andry Rajoelina ary nohamafisiny hatrany ny fanohanany foloalindahy sy ny famerenana indray ny hasin'ny tafika Malagasy izay tandroka aron'ny vozona miaro ny vahoaka malagasy, hoy i Andry Rajoelina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT