Politique

Andry Rajoelina Mampiasa fahefam-panjakana manao propagandy


  • Talata 07 Desambra 2021

Miharihary ary tsy takona hafenina, fa efa mangala-dia manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny ekipany.

 Tena miezaka mafy milalao sary fa mbola mamim-bahoaka, mitovy tsy misy valaka amin’ny fihetsika nasehon’ny Fanjakana Rajaonarimampianina nialohan’ny fifidianana tamin’ny 2018 izay nokianina fatratra. Mafy ny ady miandry amin’ny 2023 ka may ny endim-boanjon-dRajoelina sy ny ekipany, tsy maintsy manamboatra sary sy serasera hoenti-maneho, fa be mpanohana sy tena mbola manana mpifidy ao an-damosina. Ny fahefam-panjakana eo am-pelantanany dia ampisainy tsara mihitsy amin’ny tombotsoa politikany. Mitady izay hirika rehetra ahafaha-manao propagandy mivantana na ankolaka, hany ka na làlana rarivato antsaka kilaometatra aza ankehitriny, dia ny Filoham-pirenena no mitokana azy. Ny fampanantenana sy ny ronono an-tavy miakatra hatrany ny doaziny, kanefa ny nampanantenaina teo aloha aza zara raha misy vita, ny vokatra tsy hita soritra amin’ny fiainam-bahoaka,… Zary baikom-pitolomana ho an’ireo olom-panjakana ny karazana propagandy mialohan’ny fotoana, hany ka hatramina governora, minisitra, solombavambahoaka,… dia lasa mihazakazaka manao “promotion” ho an’ny antoko volomboasary satria izay rahateo moa no iraka voalohany ho azy ireo, rehefa tena zohiana. Tsy mifidy toerana sy fotoana fa dia tena manao izay reviny, araka ny fitenin’ny tanora. Marina fa lany tamin’ny lokon’ny antoko TGV, MAPAR, IRD, IRK,… saingy mba misy fotoana angamba tokony hampisehoana an’izay, fa misy fotoana mba hajaina ny tsy fitanilàna amin’ny loko sy antoko politika. Misy anefa, olom-panjakana ambony toy ny minisitra sy governora, dia toy ny mandeha manao iraka manokana mihitsy miatrika fihaonamben’ny antoko TGV toy ny tany Boeny volana oktobra teo. Volam-panjakana no mivoaka amin’ireny sa volany manokana avy any am-paosiny? Voafaritry ny lalàmpanorenana any amin’ny andininy faha-39 ny tsy tokony hitanilàn’ny fitantan-draharaham-panjakana amin’ny loko sy antoko politika na “neutralité politique de l’adminisitration”, saingy tsy manan-kasina amin-dry zareo nihazakazaka nanao azy sy nampifidy azy tamin’ny karinem-pokontany izany 11 taona aty aoriana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT