Omaly alina no nandao an'i Madagasikara ka nihazo an'i New York -Etazonia hanatrika ny fivoriamben'ireo filoham-panjakana any amin'ny Firenena Mikambana ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny delegasiona tarihany ahitana ny minisitry ny minisitry ny raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo, ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa.
Araka ny fanampim-baovao voaray dia nahazo fanasana manokana ny filohan'ny tetezamita ary anisan'ireo filoha hikabary. Fanindroany izany izao, no afaka mikabary manoloana ny fivoriamben'ny ONU i Andry Rajoelina tao anatin'ny efa-taona nitantanany ny tetezamita. Azo antoka fa hiezaka mafy handresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena mba hanafoana amin'izay ny sazy mianjady amin'i Madagasikara sy hamerina ny famatsiam-bola, ireto delegasiona nentin'i Andry Rajoelina any New York ireto, satria efa tsy halohalika intsony fa an-tenda ny ranombary.
Azo antoka fa hanao antso avo amin'ny Firenena Mikambana mba hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianan ihany koa i Andry Rajoelina, satria matevina ihany ilay 71 tapitrisa dolara hanatanterahana ny fifidianana rehetra, mandritra ny fitondrana tetezamita, ary tsy ho vitantsika irery mihitsy ny hanefa azy. Tsy maintsy hisy resaka raharaham-pitsarana ihany koa, matoa anisan'ny delegasiona Rtoa Christine Razanamahasoa ary azo tombanana avy hatrany fa ilay andininy faha-20 ao amin'ny tondrozotra no resaka eto. Ny ankolafy Rajoelina mantsy dia tsy hanaiky mandrakizay ny hiverenan'Atoa Marc Ravalomanana eto Madagasikara, ary hikaroka ny fomba rehetra hanaporofoana fa tsy mety ny hiverenan'ity filoha teo aloha ity eto, eny, fa na dia mety hamoronana porofo mihitsy aza izany. Ireo be galona ao amin'ny foloalindahy sy ny minisitry ny fitsarana no hita fa tena ampiasain'i Andry Rajoelina, mba hanakanana izany fodian'ny filoha teo aloha izany.
Herintaona lasa izay raha voaasa tany New York ny filohan'ny tetezamita dia efa nilaza fa milamina ny resaka, ho avy ny fanampiana ary manohana ny tetezamita ny sehatra iraisam-pirenena. Herintaona anefa toa tsy hita be ihany izay tena marina fa tsy mbola tonga ny famatsiam-bola, fanomezan-toky no betsaka, nivoaka ny datim-pifidianana saingy mbola ankamantatra ny volabe hanatanterahana ny fifidianana. Fa ankoatr'izay dia mandritra izao fivoahany any ivelany izao koa no hikarohan'ny filohan'ny tetezamita fitaovana hanampiana ny foloalindahy amin'ny ady amin'ny dahalo, any atsimo. Dia ho hita eo indray izay voan-dalana hoentin-dRajoelina avy any amin'ny be kintana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.