Politique

Andry Rajoelina Lasa mangingina any Hong Kong


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

Omaly alarobia antoandro tokony tamin’ny iray ora latsaka fahefany no niala teto Madagasikara ny fiaramanidina manokana Airbus A319 nitondra ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina.

Raha ny zotra arahin’ilay fiaramanidina (plan de vol) dia nitodi-doha nihazo an’i Hong Kong izy io. Ny amin’izay anton-dia any aloha dia mifamahofaho be ihany. Ny loharanom-baovao sasany mitatitra fa hisy fanaovan-tsonia amina “consortium” na kaompania aziatika mpitrandraka solika telo, handray an-tanana ny fikarohana solika efa an’ny Madagascar Oil. Ny hafa indray milaza fa handamina fiaraha-miasa amin’ny Sinoa hahazoana vola hanodinana ny tetezamita tarihiny izy. Resahina aza fa mitady hevitra mafy hihaonana amin’ny filoha Sinoa ny filohan’ny FAT amin’izao diany izao. Efa nisy ny fangatahana fihaonana amin’ity farany nataony araka ny loharanom-baovao. Mety hisy ny fifanarahana eo amin’i Chine sy Madagasikara amin’ny fanaovana ireo fotodrafitrasa nampanantenain’ny filohan’ny FAT.

Ny takalony kosa dia ireo harem-pirenena avela hotrandrahin’ny Sinoa. Mbola ireo loharanom-baovao ireo koa no mitatitra fa mety hitatra hatrany Inde ity dian’ny filohan’ny FAT ity. Any indray dia somary mirona bebe kokoa amin’ny fikarohana famatsiam-bola ny diany. Voalaza moa fa misy teratany Karana efa any an-toerana nisava lalana sy manelanelana ny hahatanterahan’izany. Raha fanaovana fotodrafitrsa mivantana no angatahina amin’ny Sinoa dia vola kosa no tadiavina amin’ny Indiana. Ity izany no fivoahana voalohany ataon’i Andry Rajoelina, taorian’ny nilatsahan’ny sazy avy amin’ny CPS, filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Firaisambe Afrikanina, ny volana martsa 2010 noho ny fanonganam-panjakana notarihiny. Sazy izay mbola manan-kery ary mahavoa azy sy olona 108 hafa, tsy ahafahan’izy ireo mivoaka an’i Madagasikara, nigiazana ny fananan’izy ireo amin’ny banky any ivelany ary ny tsy hahazoany “visa” na koa fanasana hiatrika fivoriana iraisam-pirenena. Izy ity lasa mangingina ity no mampieritreritra.

Raha dia hitondra tombontsoa ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy marina, naninona no tsy nasiana resaka, eny fa na tamin’ny haino amanjerim-panjakana aza, omaly ? Mampitombo ny ahiahy koa ny hoe fiaramanidina manokana ana mpanefoefo any Azia any no naka azy teto. Inona avokoa no fonosin’izany ? Sao dia hanao vakansy izy ? Zony aloha izay. Fa nahoana kosa no manaiky hampiasa fitaovan’olona tsy miankina, nefa tomponandraiki-panjakana ? Tsaroana fa resabe saika tsy vita tany Frantsa ny an’i Nicolas Sarkozy, filoham-pirenena frantsay ankehitriny, raha nomen’ny vondrona Bolloré sambo mba hitsangatsanganany, ny volana mey taona 2007. Tsy lavitr’izay koa ny amin’ity Airbus A319 ity. Efa mpaketo io fiaramanidina io, in-telo raha kely, mitondra Sinoa mpanefoefo avy any Hong Kong any, ary matetika dia ny ministry ny harena ankibon’ny tany, Mamy Ratovomalala no mitsena azy eny Ivato. Raha ny omaly, dia tamin’ny valo ora latsaka fahefany maraina no nigadona teny Ivato ilay fiaramanidina, dia io niainga tamin’ny iray ora lasaka fahefany antoandro io. Tsy hanome maimaimpoana hitondrana ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, izany ny tompony na ny mpaniraka azy, fa ao raha ! Tsy mbola fantatra rahateo izay fotoana hiverenany eto.

 
Rakoto Maxime sy Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT