Politique

Andry Rajoelina Lasa malala-tànana amin’ny Fiangonana


  • Alatsinainy 23 Mey 2022

Fihetsika isan’ny nanakianana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny hatramin’izao ny nanakaikezany hatrany ny Fiangonana, indrindra fa ny FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara).

Voizina hatrany ny tsy tokony hisian’ny fifanitsahan’ny Fanjakana na ny « Laïcité de l’Etat ». Adihevitra goavana teto ny resaka fianianana misy baiboly sy tsy misy dia ny an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2002 sy ny an’i Andry Rajoelina ny taona 2019. Raha raisina amin’ny fihetsiky ny mpanao politika maro an’isa, izay saika olon’ny fiangonana avokoa ankoatra ny maha olom-pirenena, dia lojika ny mety hananany anjara toerana na andraikitra any amin’ny fiangonana, ankoatra ny mety ho fitondrany anjara biriky samihafa. Ny mpifidy amin’ny fifidianana ihany koa saika manana ny fiangonany avy, ary olom-pirenena avokoa ireny. Mbola azo iadian-kevitra ny resaka « Laïcité de l’Etat » io, ary raha maka ohatra kely ohatra, dia fivavaham-panjakana Britanika ny fivavahana Anglikanina, ny firenena Arabo saika mametraka ny Korano ho fototra iorenan’ny Fanjakana,… Tsy atao mahagaga noho izany ny fidiran’ny mpanao politika an-tsehatra any am-piangonana amin’ny maha kristianina na any amin’ny finoana hafa. Ankehitriny, rehefa tena zohiana ny fihetsika miseho ankehitriny, tsikaritra ho miezaka maka ny fon’ny fiangonana ny Filoha ankehitriny. Mitombo ny fahitana azy amina lanonana ara-pivavahana, lasa malala-tànana kokoa. Taorian’ny fihetsiny tany Morondava roa herinandro teo izay, nitokana fiangonana tany Tanakompania Ihosy ny Filoha Rajoelina omaly. Naneho fa ny fampanantenana efa nataony tsy maintsy tanterahina hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Tamin’ny 19 Mars 2017 no nanombohan’ny Kristiana tao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Tanakompania ny asa fanorenana ity trano fiangonana ity. Tafatsangana ny rindrina noho ny ezaky ny Kristianina tamin’izany. Nanomboka ny taona 2019 kosa no nanambara ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina raha nitsidika teto Ihosy, fa ho raisiny an-tanana manontolo ny fanamboarana ny trano fiangonana miaraka amin’ny fampitaovana ao anatiny, hoy ny fanazavana. Rehefa zohiana, tsy mifankaiza firy amin’ny fihetsika nanenjehana an’i Marc Ravalomanana ny miseho ankehitriny.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT