Politique

Andry Rajoelina Lasa any Eoropa tokoa nijery an-janany


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Niteraka resabe ny fivoahan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, any Eoropa ankehitriny.

 

 

 

 Tsy nandiso ny vaovao moa ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ary nanambara mihitsy aza ny talen’ny serasera, Rinah Rakotomanga, fa toy ny olombelona rehetra ny filoha. Manan-jo hanana fiainam-pianakaviana toa anao sy toa ahy ny filoha sy ny fianakaviany, hoy izy. Isan’izany ny fikarakarana ny fianaran-janany arak’izay tiany. Toa anao koa izy ireo, mba mitady izay hanatsarana arak’izay tratra ny tokantranony. Toy ny olona rehetra manan-jo sy mila miala sasatra ary manokana fotoana ho an’ny fianakaviany. Io no fivoahana voalohany nataony hatramin’izay nisian’ny Covid 19 teto izay. Maro ireo siosion-dresaka mikasika ny mety ho fivoahany nialoha izay saingy hamafisina hatrany fa tsy namela ny Malagasy hiady irery tao anatin’iny valanaretina iny ny filoha, hoy hatrany ny fanazavana sy angom-baovao. Nialoha ity fivoahana ity dia tsiahivina fa nisy fitetezam-paritra maro koa nataon’ny filoha teto an-toerana. Vakinankaratra, Matsiatra ambony, Sava, Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Anosy, Androy, Alaotra Mangoro no isan’ireo faritra voatety. Ny tsy fisiana fampitam-baovao ofisialy moa no tena nahatonga ny resabe satria nisy nahita hoe iny fa lasa niditra fiaramanidina ho any ivelany ny filoha kanefa tsy fantatra mazava hoe hamonjy fivoriana ve sa hanao inona.Tena marina fa manana ny fiainany manokana ny filoha saingy efa filoham-pirenena izy izao, ka misy lanjany goavana foana ny ataony na teneniny n any toerana alehany ka rariny sy hitsiny raha any aminy ny mason’ny olona.Rehefa mazava fa hijery an-janany na hiala sasatra izy dia mazava izay, fa raha an-kiafinafina sy manjavozavo dia ho resabe foana.

J. Mirija

 

(Sary fanehoana)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT