Politique

Andry Rajoelina Lasa any Dubai


  • Zoma 27 Mey 2022

Nikopak’elatra lasa nankany Dubaï ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary efa any an-toerana hiatrika ny fanokafana ny « Forum Seamless 2022 sur l’économie numérique ».

Hetsika lehibe tanterahina any amin’ny Dubaï World Trade Center ny 31 may hatramin’ny 3 jona izao io. Fanao isan-taona ka ho ambohipihaonan’ireo mpisehatra vokatra vaovao sy avo lenta amin’ny tontolon’ny teknolojia, ny banky, varotra, ny tontolon’ny elekronika, ny nomerika,… Ho an’ny 2022, mahatratra 350 ny mpanao fampiratiana, mpitsidika hatrany amin’ny 10 000 no nofaritana fa ho avy amin’izany. Nambaran’ny Fiadidian’ny Repoblika moa fa vahiny manokana sy manan-kaja amin’io ny filoha Malagasy. Efa nambara tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny hisiana fitsidihana ofisialy hataony hihaonany amina olona ambony ao anatin’ny Emirats Arabes Unis. Hisy ihany koa ny fihaonana amin’ny mpisehatra ara-toekarena samihafa. Nilaza hiresaka lohahevitra momba ny fampandrosoana an’I Madagasikara moa I Andry Rajoelina amin’izao diany izao, araka ny fampitam-baovaony tao amin’ny tambajotra Twitter. Tsy tongatonga ho azy, fa karazana pi-maso hitadiavana fiaraha-miasa sy famatsiam-bola hatrany ny tahaka izao. Azo antoka fa hiparitaka indray ny serasera sy ny sary hoenti-maneho fa manga ny lanitra amin’ny fiaraha-miasa, atokisan’ny mpiara-miombon’antoka, mety hisy ihany koa ny hoe: nahazo famatsiam-bola,… Matetika anefa sary no betsaka fa ny vokatra mbola miandry na sanatria mety hitsefotra tahaka ilay tany Etazonia farany teo hoe: nahazo 400 tapitrisa dolara na maherin’izay. Rehefa nojerena anefa ny pitsopitsony, vola hitsinjara hatramin’ny 2028 ary ny 2022 aza tsy misy fa mbola 00 dolara. Mandeha ny pi-maso amin’ny arabo satria toa mihisatrisatra ny fiaraha-miasa sy ny famatsiam-bolan’ny tandrefana kanefa ny fe-potoana hiasana herintaona mahery sisa? Voalaza fa isan’ny toerana nanaovan’ny Filoha Rajoelina bizina sy fandraharahana I Dubaï rehefa niala tsy ho Filohan’ny tetezamita izy ka asa hanao ahoana ny mety ho endri-piaraha-miasa sy ny tambiny amin’izany raha hisy tokoa?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT