Politique

Andry Rajoelina “Kianja hiarovana ny voninahi-pirenena ity”


  • Alatsinainy 06 Septambra 2021

Tontosa ny sabotsy 4 septambra lasa teo ny fitokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny Kianja Barea Mahamasina notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoalina.

 “Mila manana fijery lavitra isika, mila fijery goavana isika. Ary tokony ho saro-piaro isika rehetra amin’ny fikojakojana ity fotodrafitrasa lehibe ity. Eto no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena, eto no kianja hampiray fo, hampiray saina ny vahoaka Malagasy”, hoy ny Filoha ankehitriny. Ny firariana, hoy hatrany ny filoha, dia ny hiray hina ny vahoaka Malagasy iray manontolo hikatsaka ny fampandrosoan’i Madagasikara. Nambaran’ny filoha fa hiarovana ny voninahi-pirenena, saingy faharesena no nisantarana azy, izay mety misy antony avy aminy manokana na avy amin’ny fitondrana. Nisy ihany koa ny taratasy fisaorana manokana nataon’I Andry Rajoelina. “Tontosa soa aman-tsara ny lanonana nitokanantsika ny Kianja BAREA Mahamasina. Nankasitraka ny rehetra, toy ny mpilalaon'ny BAREA sy ireo mpanakanto, ireo mpitandro ny filaminana, ireo mpiara-miasa eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny tao amin'ny Minisiteran'ny Fanatanjahantena, ireo mpanao gazety, ny haino aman-jerim-panjakana (TVM sy RNM) sy tsy miankina izay niara-nifarimbona tamin'ny fampitana mivantana ny fankalazana, ireo teknisiana rehetra ary fanatontosana iny fankalazana manetriketrika I Andry Rajoelina. “Isaorako manokana ny filaminan'ny vahoaka nanatrika, tsy ny avy eto an-drenivohitra ihany, fa ireo tonga maro avy any amin'ny Faritra 23, ireo Ampanjaka sy Raiamandreny, sady nanome voninahitra iny lanonana iny, ary nanaja ireo fandaminana rehetra napetraka”, hoy hatrany I Andry Rajoelina. Nambara fa misokatra ary napetraka ho an’ny Malagasy rehetra ny Kianja BAREA Mahamasina, izay fananana iombonana no sady fananam-pirenena. lo no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena, hampiray fo sy hampiray saina ny vahoaka Malagasy rehetra. ireo rehetra izay niara-nisalahy tamin'ny Ny Filohan'ny Repoblika, hoy i Andry Rajoelina. Vita ny fihetsiketsehana nandaniana vola tsy toko tsy forohana fa ny sosialim-bahoaka sy ny fanarenana ara-toekarena aloha dia baraingo hatrany ?


Isan’ny niteraka fanamarihana sy kiana ho an’i Andry Rajoelina kosa ny endrika toa naneho fanavakavahana. Tao anatin’ny kisary nataony misy ny sary famantarana ireo faritra kosa dia ny 22, fa tsy 23, izany hoe voahilika ny faritra Vatovavy na izy tenany izao aza no nitarika ny lanonana sy fanaovan-tsonia ny fananganana izany teny Iavoloha ny 10 aogositra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT