Tao anatin’ny andro vitsy no any Frantsa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay manatrika ny fanasan’ny Vondron’ny mpanaraharaha miteny Frantsay na ny MEDEF.
Tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ofisialy saingy re ny mety hisiana fihaonana eo aminy sy ny Filoha Frantsay Emmuel Macron ao amin’ny Lapan’I Elysée ny 27 aogositra ho avy izao. Fihaonana voalohany taorian’ny disadisa tamin’ny endriny maro io. Anisan’ireny ny raharaha “Apollo 21” izay misy teratany Frantsay nosamborina. Hatry ny ela no notononona ho ao ambadiky ny fanakorontanana eto Madagasikara ny Frantsay, ka isan’ny nilaza an’’io ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny janoary 2021 teo. « Tamin’ny fotoan’androny Ravalomanana sy Rajaonarimampianina efa nihaona tany Frantsa, ka tsy kisendrasendra izany », hoy io Minisitra io. Tamin’izany no efa nilazany fa mpitsikilo Frantsay i Paul Rafanoharana. Raharaha hafa ny resaka îles Eparses izay ny 29 mey 2019 no nisiana fihaonana teo amin’I Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron. Herintaona taty aorian’io, nilaza i Andry Rajoelina fa famerenana no takiana fa tsy fiaraha-mitantana, nakany amin’ny Nosy Glorieuses kosa I Macron ary nandranitra tamin’ny hoe: “Ici c’est la France”,… Aty aoriana, iny vaky iny ny raharaha « Apollo 21 », misy Frantsay voatonona, nolazaina fa ny Frantsay no manakorontana antsika. Nanendry olona miteny Frantsay be sy nipetraka tany Frantsa ho minisitry ny Raharaham-bahiny anefa ny Filoha Rajoelina. Tsy tongatonga ho azy izany, fa toa karazan’ny fidirana amina fandaminan-dresaka sy endriky ny fibabohana amin’I Lafrantsa. “Ny manahirana dia tompon’andraikitry ny polisy frantsay, tsy tompon’andraikitra akory aza fa inspecteur de police Frantsay no atao minisitry ny raharaham-bahiny. Manahirana ho an’ny fiandrianam-pirenena izany”, hoy Atoa Serge Zafimahova omaly tao amin’ny Real TV.
VOAKITIKITIKA NY TOMBOTSOA FRANTSAY
« Arovany foana ny azy ny olony, ka tsy maintsy iarahany midinika izany. Misy olana ihany koa ny tombotsoa Frantsay eto, ohatran’ny voabahana, ka mila fanazavana sy mila antoka ny Frantsay hoe: havela ve ny fampiasam-bola”, hoy hatrany Atoa Serge Zafimahova. “Tena mahagaga ny fihetsika ataontsika, isika tamin’ny alalan-Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo dia efa nilaza fa ny Frantsay no ao ambadika. Nahoana ianao no miampanga ny Frantsay, kanefa mbola tsy ampy ny porofo. Saropady ireny! Nosamborina ireo vazaha roa, dia mbola notenenina hoe: ny Frantsay no ao ambadika, mba firenena lehibe sy manana ny fiandrianany ry zareo. Raha izaho ny Filoha menatra aho, ianao no manondro ny Frantsay, avy eo ianao no manantona any”, hoy kosa Rtoa Arlette Ramaroson mpahay lalàna iraisam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.