Politique

Andry Rajoelina Hampandroso firenena amin’ny makety…


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Havanana amin’ny fanaovana makety na kisarisary na “maquette” amina tetikasa ambara fa hatao ny fitondrana ankehitriny.

 Ireny no entina handresen-dahatra sy hisintonana ny saim-bahoaka, ary tondroina sy lazaina ho fandrosoana. Indraindray, dia toy ny hoe: “mitokana makety” mihitsy. “Hiova tanteraka i Fianarantsoa, tsy ho tanàna maty intsony fa tanàna mandroso”, hoy ny Filoha Rajoelina tao Ambatomena ny faran’ny herinandro teo, raha naneho ny maketin’ny asa ambarany fa hatao. Toerana izay ambara fa hanorenana sy hanatanterahana ny tetikasa “pôle urbain” , hisy lalan-dehibe na "Avenue" mahafinaritra, toeram-pivarotana isan-karazany, ary kianja "coliseum". Hisy toerana fitsangatsanganana toy ny zaridaina lehibe sy ny “esplanade”. Hapetraka eo ihany koa ny biraom-panjakana isan-tsokajiny sy izay rantsa-mangaikan'ny Minisitera rehetra. Mirarakopana hatrany fampanantenana amin’ny alalan’ny makety satria akaiky ny fifidianana. Rehefa tena zohiana ireny, ny sarisary no lasa aloha mba hampanofinofisana vahoaka, fa ny hoenti-manana mbola any an-kibon’ny omby. Hita mihitsy hoe: olona niasa tamin'ny sehatry ny fampisehoana sy ny dokam-barotra ny Filoham-pirenena mialohan'ny naha ben'ny tanana sy filoham-pirenena azy. Tia mampanonofy amin’ny makety ny fitondrana, tia kisehoseho, fatratra amin’ny resaka endrika ivelany, fa jamba sy mihisatra fiasa amin’ny tena famahana ny olam-bahoaka. Makety hatrany ve no hampandrosoana firenena kanefa ny vokatra ara-toekarena sy sosialy entiny tsy hita ihany? Ny toekarena mitotongana ambony ambany ary miiba ny tarehimarika, ny olana ara-piarahamonina sy sosialy mirarakopana. Ohatra mojarihary ny fitakiana amin’ny endriny maro : mpitsabo, mpandraharahan’ny anjerimanontolo, mpampianatra, mpiasan’ny orinasam-panjakana… izay mila grevy vao mahazo valin-kasasarana. Ny fandriampahalemana tena miakatra an-dRenivohitra ny dahalo, ny any ambanivohitra tsy mandry andro aman’alina. Ny fifehezana vidim-piainana petatoko, miha mahantra ny vahoaka, mihena ny fahefa-mividy.
NY AVO IHANY NO TOVANANA
Akoatra izay, tsapa fa ny avo ihany no tovanana, raha tarafina amin’ireo fotodrafitrasa tokanana. Saika amina tanàn-dehibe, renivohi-paritany, renivohitry ny faritra na distrika izay efa betsaka ny safidy ara-panabeazana ohatra no nasiana sekoly manara-penitra kanefa manana kaominina 1695 isika eto Madagasikara, izay any ambanivohitra ny ankamaroany ary betsaka ny sekoly tsizarizary fa tsy dia hitan’ny mpitondra. Ohatra iray iny, fa na ireo ambara fa velirano samihafa aza, toy ny “téléphérique”, ny “tramway”, ny “Tanàmasoandro”,… izay hanatontonana volabe tsy toko tsy forohana dia saika mifantoka amina tanàn-dehibe avokoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT