Politique

Andry Rajoelina Fitahin’ireo manodidina azy…


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Tsikaritra ho fitahan'ireo manodidina azy ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina ary voailika ireo tena TGV sy MAPAR. Tafiditra an-dapa ny mpanao afera kanefa ny filoha milaza hoe hanadio sy hanao fitantanana mangarahara.

 

 

 Tokony ho sahy hiteny izy rehefa misy manao ny tsy mety sy manararao-pahefana ao fa tena hanala baraka azy ireo olona sasany manodidina azy ireo.  Ny resaka fiadiana amin’ny mpivarotra solika sy ny mpiasan'ny jirama io izao, dia toa mampametra-panontaniana ihany hoe : tena finiavany sa misy mandrisika ? Raha ny tena zava-misy mantsy, misy politika avo lenta nahatongavana tamin’io resaka fifehezan’ny vahiny io resaka solika sy famokarana herinaratra io. Ny vahiny na ny mpamatsy vola mahazatra no tena nandrisika ny fanjakana hatramin’izay tany anatin’ny fialana tamin’ny tohana ara-bola na ny “subvention”, ary nirona tsikelikely tany amin’ny fanomezana azy ireny ny sehatra tsy miankina na ny “privatisation”. Orinasa iraisam-pirenena sy toa misy dian-tanan’ireo firenen-dehibe ao anatin’ny mpamatsy vola mahazatra io ka toa misy zavatra mifanipaka ihany ao satria isika dia mandady rariny amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI. Handresy amin’io ve ny fanjakana ? Io ihany koa fa toa ampiadian’ny olony amin’ny polisy ny filoha, raha tarafina amin’ny resaka fakana ny fanamboarana ny “E-Visa” malaza fa kotrehina homena ny karana, na koa ilay fanatsoahana ny fanamboarana pasipaoro. Ireo manodidina mandeha ihany ny bizina fa ilay filoha kosa no mizaka ny rihitra. Ratsy mpanolotsaina i Andry Rajoelina ary dia hikatso eo ny IEM kanefa mba mety misy zavatra tsara ihany. Na hala-bato na tsia no nahalany azy dia efa filoha voafidim-bahoaka aloha no hilazana an’i Andry Rajoelina. Manana ny vahoaka izy ka raha tena hiady ho an'ny tanindrazana marina, dia hanohana azy ny vahoaka tena Tia tanindrazana tsy manaiky ny fanjakazakan'ny saribakolim-bazaha eto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT