Politique

Andry Rajoelina Eto ihany ve sa lasa any ivelany ?


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Miely amin’ny tambajotran-tserasera ny resaka amin’izao fotoana izao, fa lasa nisidina any ampitan-dranomasina ny faran’ny herinandro teo ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

 

 

 

Tsy nisy ny fandisoana na fanamarinana an’io avy amin’ny seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika na ny mpitondra tenin’ny governemanta. Toa manaporofo an’io feo io nandeha io kosa ny fanambarana na firesahana ny fepetra vaovao mahazatra isaky tapa-bolana, izay tsy ny tenany no nanao izany omaly fa ny Praiminisitra. Raha lasa tokoa izy, dia tsy fantatra mazava hatreto ny anton-diany na hiala sasatra na koa noho ny asa maha Filoham-pirenena azy. Tsy mbola fantatra ihany koa ny fotoana hiverenenany raha toa ka efa tsy eto an-toerana tokoa. Ny sidina ana habakabaka mivoaka sy miditra ny firenena Malagasy rahateo mbola tsy tena misy, ankoatra ireo mitondra entana na fiaramanidina nahazo fahazoan-dàlana manokana haka teratany vahiny na manatitra teratany Malagasy. Ny any amin’ny firenena maro, dia efa voafaritra amin’ny ankapobeny ny programa na “agenda” ho an’ny Filoha iray amin’ny diany ao anatiny sy mankany ivelany, fa tsy mbola manarapenitra tahaka izany kosa ny aty amintsika, hatreto aloha.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT