Politique

Andry Rajoelina « Efa vonona ny tetibola ho an’ny faritra faha-23 »


  • Talata 08 Septambra 2020

Noraisin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly ireo Ampanjaka, Raiamandreny ara-drazana, solombavambahoaka avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany omaly.

 

 Lahadinika tamin’izany ny fampijoroana ny faritra faha-23 dia i Vatovavy, izay voalaza fa isan’ny fanambon’i Andry Rajoelina. Tao Mananjary hatrany ny renivohitry ara-panjakana hatramin’izay, ary lasa tany Manakara rehefa nitsangana ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Sarotra ny fikarakarana ny antontan-taratasy satria tsy maintsy makany, ka izay no isan’ny hanasarahana ny faritra roa tonta. Nisy ny fakan-kevitra tamin’ireo distrika 6 ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinana, mba ho fandaminana iarahan’ny rehetra manapaka no hivoaka, hoy ny tatitra. Maro moa ny adihevitra nandeha momba io fanasarahana io, na ara-politika, na ara-jeografika, na ara-pomba,… Fandaminana ara-panjakana, na « découpage administratif » no atao mba handrindrana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ary tsy hisy faritra hohadinoina, hoy ny Filoham-pirenena. Nambara ihany koa fa efa vonona ny tetibola ho an’ny faritra Vatovavy. Ny ao anatin’ny lalàmpanorenana Malagasy, dia 22 ny faritra, Lehiben’ny faritra no fiantsoana ny tompon’andraikitra mitantana azy fa tsy « governora », fidiana ihany koa ny Lehiben’ny faritra,… Mazava fa mila fikitihana ny lalàmpanorenana io, raha tena arahina ny lalàna, saingy ny eto amintsika moa mandeha ho azy izany, ka dia ho hita eo ny fizotrany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT