Politique

Andry Rajoelina Efa manomana ny sain'ny olona fa ...


  • Alakamisy 18 Oktobra 2012

Mialoha ny nidirany teo amin'ny sehatry ny politika ka nahavoafidy azy ho Ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra dia niasa tamin'ny sehatry ny serasera sy ny dokambarotra i Andry Rajoelina.

 Azo ambara, noho izany, fa voafehiny ny manaitra ny maso sy mandresy lahatra ny olona hanjifa na hividy ny entany. Ary efa nasehony tamin'ny propagandy fifidianana Ben'ny tanàna, tamin'ny 2007 fa hainy io manaitra sy mambabo ny maso sy fo ary sain'ny olona io. Amin'izao fotoana dia mampiasa paikady, hita fa efa vita planina mazava mba hampisongadinana azy, indray ny filohan'ny tetezamita amin'ny alalan'ireo fitsidiham-paritra sy fihaonana mivantana ataony amin'ny vahoaka. Ny mahay serasera dia efa nahatsikaritra ihany koa fa miezaka ny mamafa tsikelikely ny dian-tanan'i Marc Ravalomanana ny filohan'ny tetezamita, ka izay no mahatonga azy maika manorina fotodrafitrasa etsy sy eroa io, mba hametrahana ao an-tsain'ny olona fa tsy Ravalomanana irery no afaka manorina sy mahavita lalana 10 000 km, fa i Andry Rajoelina koa dia afaka manorina hopitaly sy kianja manara-penitra.

Raha izao fiaingany izao ihany koa dia azo antoka fa tsy maintsy hotetezin'ny filohan'ny tetezamita ireo faritra sy tanàna tena nahazoan'i Marc Ravalomanana sy ny TIM vato be indrindra, tamin'izay fifidianana nisy teto, tahaka ny faritr'Itasy sy Vakinankaratra. Tsy kisendrasendra ny fitsidiham-paritra ataon'ny filohan'ny tetezamita fa efa manana tanjona mazava. Ary rehefa dinihana tsara ny kabariny any amin'ireny toerana alehany ireny, dia tsy manakiana na manaratsy, ny mpitondra teo aloha izy, fa milaza fotsiny hoe akaiky anareo izahay ry vahoaka, tsy manadino anareo ary vonona hanampy anareo. Dia avoaka amin'izay ny teny fampanantenana mampanofinofy maro samihafa, dia variana ny olona. Raha ny fahitana azy dia efa manomana ny sain'ny olona i Andry Rajoelina, fa ho kandida izy, ary (tsy maintsy) izy no ho filohan'ny Repoblika faha-4, ka hanohy ny asa rehetra efa natombony tao anatin'ny tetezamita, ary mety efa nofinofiny ao an-dohany ao sahady, ny hiantsoana azy any aoriana any hoe : Rain'ny fanovana !

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT