Politique

Andry Rajoelina Efa lasa mpaminany koa ve ?


  • Zoma 31 Mey 2019

Tsy fahamatorana sa efa diso mahatoky tena sahady ny filoha Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy ? Fantatry ny mpikambana IRD sahady ny voka-pifidianana.

Nambarany nandritra ny diany tany Parisy ny 28 mey lasa teo fa nibata fandresena ireo mpiara-dia aminy ary nandrombaka seza maro raha ampitahaina amin`ny TIM. Nivoaka sahady ny valim-pifidianana ho an`ny IRD izay nibata seza maherin`ny 80 raha ny nambarany. Mifanohitra amin’ny fanambaran’ny CENI kosa anefa io amin`ny tsy tokony hamoahana ny vokatra mialoha. Hentitra ny filoha lefitry ny CENI nampahatsiahy ny tokony hanajan`ny rehetra ny lalàna. Tsy misy mahazo mamoaka voka-pifidianana feno na amin`ny ampahany afa-tsy izay eny anivon`ny birao fandatsaham-bato, hoy izy. Ny vokatra havoakan`ny CENI ihany no tokony haparitaky ny kandidà sy ny haino aman-jery. Efa mandika lalàna sahady !

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT