“Après moi le déluge”, na tsy raharahako izay miseho any rehefa afaka aho, hoy ny fiteny frantsay. Azo fintinina amin’ity oha-pitenenana ity ny fihetsik’i Andry Rajoelina. Roa andro mialoha ny hialany tsy ho filohan’ny Tetezamita intsony dia nisondrotra avokoa ny vidin-tsolika. Notazonina hatrany anefa izany nandritra izay dimy taona izay ary na nisy aza dia efa nifandirana tamin’ireo mpandraharaha efatra. Ireto farany izay nomena tombontsoa manokana tsy handoa ny haba amin’ny fanamboaran-dalana mba hanekeny ilay fitazonana ny vidin-tsolika. Hitsingerina rahampitso kosa ny faha-5 taonan’ny “Alatsinainy Mainty” izay namotehan’ny mpomba azy tamin’izany ny firenena rehefa may nodorana sy novakiana ireo tranombarotra samihafa, tao anatiny ny fananan’ny filoha teo aloha. Nilaza hijery ireo niharam-boina tamin’ireny i Andry Rajoelina nefa nodiany fanina izany na dia tompon’andraikitra mivantana tamin’ilay raharaha aza ny tenany satria izy no nitarika ilay fikomiana. Andrasana izay hataon’ingahy filoha vaovao.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.