Tontosa omaly 23 novambra 2021 tany Caire, Egypte ny fivoriana an-tampony faha-21 an'ireo Filoham-pirenena sy filoham-panjakana mikambana ao anatin'ny Vondrona COMESA.
Nanamarika ity andiany faha-21 ity ny fanatanterahana ny fifamindram-pitantanana teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay filohan'ny fivorian'ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana ao anatin'ny COMESA, sy ny Filoha Egyptiana Abdel Fattah Al-Sissi, izay nandimby azy. Nisy ihany koa ny fihaonana manokana teo amin’izy roalahy ireo. Nilaza ny Filoha egyptianina fa ilaina ny fifanakalozana traikefa sy ny fahaiza-manao eo amin’ny malagasy sy egyptianina eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Vonona ny hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny lafiny nomerika i Egypte ary voaresaka manokana ihany koa ny mahakasika ny fiarovana ny sisin-tany. Nanamafy ny fahavononany hanohy ny fiaraha -miasa amin’i Egypte ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ity fihaonana ity. Anisany noresahiny manokana ny mety ho fiaraha-miasa sy fanohanan’ny fanjakana egyptianina an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fanamboarana ny lalana migodana mirefy 250km mampitohy an’Antananarivo sy ny seranan-tsambo lehiben’i Toamasina. Voaresaky ny roa tonta ihany koa ny momba ny fahaiza-manao amin’ny fananganana ny tanana vaovao izay tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina hanarenana ny fahataran’i Madagasikara. Raha izay toky sy dina re sy natao tamin’ny fivoahana an’I Madagasikara izay no tanteraka avokoa mety efa sangany sy lasa mpampindram-bola an’I Kaomoro tokoa I Madagasikara. Ny tena zava-misy anefa hatreto, dia tsy mahaleo ny sarany ny vidiny, tsy mahaleo ny mivoaka ny miditra, ary indraindray toa tafahoatra ny fandanindaniana tsy tena mitondra vokatra ataon’ny mpitondra Malagasy any ivelany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.