Tsy takona afenina intsony ny ady mangotraka eo amin’i Alain Ramaroson sy ny filohan’ny FAT ary ireo mpiara-dia aminy.
“Tsy propagandy fotsiny no ataon-dRajoelina mipi-maso ny Fokontany eto an-drenivohitra”, hoy i Zafilahy Stanislas fa miezaka mamafa ny dian’i Alain Ramaroson ny tenany. Iaraha-nahafantatra manko, hoy i Zafilahy fa i Alain Ramaroson no nanangana andrimasom-pokonolona ka dia io ezahina fafana io. Tsy vitan’izay fa dia nanantena ny fandraisan’i Andry Rajoelina fanapahan-kevitra fanasaziana i Alain Ramaroson kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny ny zava-misy. Ny olona notononiny ho namono ny zanany (Nadine Ramaroson) nomen’i Andry Rajoelina andraikitra ambony, ary ny iray koa nataony teo anilany raha nankasitraka ireo sefom-pokontany izy. Izay ny valin-kafatra, hoy i Zafilahy Stanislas. Alahelon’ireo gadra politika, ireo olona novonoina ireny mivaly ireny, hoy kosa ny CT Rarison Hilarion (Matsiatra Ambony).
“Mifanompa an-telefaonina sy mifampiandry kendritohana sisa no atao raharaha”, hoy kosa Ralaiseheno Guy Maxime manoloana ity raharaha ity. “Tairo fa samy nilaza azy ho dadany ianareo ka dia aleo izahay Magro mba ho mpitazana indray aloha”. Raha ny fantatra moa, taorian’ny nanesorana ireo zandary dia nesorina tamin-dRamaroson koa ireo miaramila niandry azy. Ny “gros bras” tsy afaka ary tsy ho afaka”, hoy i Guy Maxime. Araka ny siosion-dresaka moa dia efa misy mihitsy aza didy fampisamborana miala any ho any. Dia ny ho avy no hamantarana izay.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.