Politique

Andry Rajoelina 5 taona handamina krizy ihany…


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Herintaona sy tapany izay no lasa, saingy mbola tsy marim-pototra hatrany ny fanjakana Rajoelina. Sasatry ny mamaha olana sy krizy.

 

 Vao nandray ny fahefana ny 19 janoary 2019 dia efa nosantarina tamin’ny ra mandriaka sy fatiolona noho ny fikodiavana vato be. Ny fanadinam-panjakana bakalorea nisavoritaka. Ny tetikasa Tana-masoandro toa rava maina taorian’ny fifanolanana tamin’ny endriny maro teny Ambohitrimanjaka, ary tsy misy famatsiam-bola mazava rahateo. Vaky ny afera “doublons” tamin’ny fifisianana izay tena nampiozongozona ny fahefam-panjakana. Aty amin’ny fiatrehana ny coronavirus dia maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny, toy ny fitantanana tsy misy fangaraharahana, eny hatramin’ny kabarin’ny filoha aza nisy tsy nandeha tamin’ny laoniny. Ny fitiliana averina fa tsy atokisana. Ny fifandraisan’I Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena mandringa mba tsy hilazana hoe ratsy tanteraka. Mbola baraingo ny ho fanarenana ara-toekarena aorian’izao coronavirus izao, ary betsaka ny fampanantenana heverina fa tsy ho tanteraka. Handamina krizy sy mamono afo no toa mandany ny fotoanan’ny fanjakana 5 taona. Vao migadona eo anefa ny 2021 dia efa fiomanana amin’ny fifidianana no hisongadina ary mety tsy hisy tetikasa sy fampandrosoana vanona.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT