Politique

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

 

 

 

natao fitiliana rehetra omaly alarobia, dia tsy nisy voa avokoa, hoy ny Filoha Rajoelina omaly. Ny faha-4 aprily no hanaovana fandrefesana na ny tombana hoe nanao ahoana ny fifehezana ny cvoronavirus. Fantatra daholo ny olona mitondra sy ireo avy any ivelany arahi-maso akaiky. Ho an’ilay zotran’ny Air Madagascar MD051 tonga tamin’ny 18 martsa, nisy mpandeha 145, dia efa vita avokoa ny fitiliana ny olona nandeha taminy. Iray ihany no voa tamin’izy ireo. Tsy tokony hivoaka ny trano ny ambiny tsy voa. Misy ny tsimokaretina tsy hita raha tsy 14 andro. Alohan’ny 4 aprily dia tsy maintsy hatao fitiliana avokoa ny olona rehetra avy any ivelany, eny fa ny tany alohan’ny sidina farany aza, hoy i Andry Rajoelina. 10 andro sisa ady ataontsika. Ho voafehintsika io raha izao hatrany no ataontsika. Ho tonga izao alina izao ny “cargo” hitondra ny fitiliana haingana 20mn, hoy hatrany izy omaly hariva. Haka mpitsabo mpanampy hanao fitiliana.Hanao fanambarana lehibe amin’ny 4 aprily. Raha izao no mitohy, dia ho resintsika io. Ny tao Maorisy dia tsy betsaka noho ny teto ny fiaramanidina, kanefa ny azy ireo efa 42 raha 19 ny antsika. Ny azy ireo 2 no maty, fa ny antsika arahi-maso akaiky ny fahasalamana. Laharam-pahamehana ny fiarovana ny Malagasy, ka mino isika fa ho resintsika io, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT