Politique

Andry Andriatongarivo Omena andraikitra hafa sa ampidirina garazy?


  • Zoma 25 Martsa 2022

Tsy niandry ela fa notontosaina omaly alakamisy 24 martsa 2022 ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo teo aloha Atoa Andriatongarivo Nasolo Tojonirina

 sy ny Sekretera Jeneraly vaovao Mpisolo toerana Atoa Andriamanantena Hery, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, nanaisotra ny vadin’ny Minisitry ny serasera tamin’ny toerany. Mpiandraikitra ny rafitra manokana hiadiana amin'ny Kolikoly na ny "ULC" ao amin'ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo kosa ny Sekretera Jeneraly mpisolo toerana. “Marina tokoa fa mety nananan’ny Filoha fahatokisana, saingy nisalasala ny filoha hanala. Izy no manam-paniriana, fa tsy ilay Filoha. Raha nanam-paniriana, dia efa tonga dia niala satria nilaza fa efa herinandro vitsivitsy no niresaka tamin’ny filoha, fa maninona no omaly vao niala?” Hoy kosa ny fandaharana miara-manonjan-dry Depiote Fidèle Razarapiera. Nosokajian’izy ireo ho mbola nandrefy ny Filoham-pirenena i Andry Andriatongarivo tamin’ny fanambarana nataony nialohan’ny filankevitry ny minisitra. Nanapoaka “champagne” moa ny Miara manonja tarihin-dry Fidèle Razarapiera sy ry Me Hanitra Razafimanantsoa taorian’ny fanesorana an’ity vadina minisitra ity tamin’ny toerany. Ny fanontaniana manitikitika ny maro kosa ankehitriny dia ny hoe: hanao ahoana ny ho avin’i Andry Andriatongarivo amin’ny lafiny politika na ny fifandraisany amin’ny mpitondra? Hotendrena amina toerana ambony hafa sa havela hihainohaino? Hampanginina amin’ny alalan’ilay hoe : ampidirina gazary ara-politika ve sa mbola homena andraikitra ? Inona no mety ho afitsony eo anatrehan’ny lazany amin’ny resaka famoahana dosie? Na ny tenany na ny vadiny samy malaza amin’io, ary tamin’ny tetezamita aza, rehefa nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy sy Filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina dia nanao ampamoaka ny minisitry ny serasera ankehitriny fa tena namatsy ara-bola ny miaramilan’ny CAPSAT hikomy i Andry Rajoelina. Tsiahivina hatrany ihany koa, fa isan’ireo olon’ny fitondrana ho maherihery setra ny tenany, ka isan’ireny ilay horonam-peo mandrahona jeneraly arahina teny tsy mendrika, voatonona tamin’ny raharaha fitazonana fitaovam-piadiana mahery vaika,… Havalona tanteraka ireny dosie ireny mba ho tsangambaton’ny tsimatimanota sa mba hisy tohiny ihany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT