Politique

Andrim-panjakana Mbola azo sorohana tsara ny krizy


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Tsy zakan-dRakotovao Rivo sy ny HVM ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena ny 28 aprily 2019 tetsy Mahamasina nilazan’ny filoha hoe : fahazavana sa Antenimierandoholona ?

 

 

Tetezana sa Antenimierandoholona ? Satria ve ny avy amin’ny mpanohitra no maro an’isa dia atao an’izany ? Nampidirina tao anatin’ny fandaharam-pifidianana ny fitsapan-kevi-bahoaka handrava ny Antenimierandoholona. Mahakasika ny fanafoanana azy io dia miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena no hahafahana miroso amin`izany saingy ny fandraisana fanapahan-kevitra dia mila atao amin`ny fanarahan-dalàna. Ny lalàmpanorenana tamin`ny taona 2010 no nametraka ny fisian`ity andrim-panjakana ity. Araka ny mpahay lalàna iray, “ny anton`ny “crise institutionnelle” dia ny tsy fifanatonana. Tsara foana ny mifanatona amin`ny alalan`ny resaka ambony latabatra na taratasy manazava amin`ny antsipirihany. Rehefa samy manaja izay dia tsy tokony hisy ny krizy.” Ny lalàmpanorenana dia nametraka ny fisarahana fahefana telo saingy misy ny “equilibre des pouvoirs”, izany hoe afaka mifampijery ny zavatra rehetra atao fa kosa ao anatin`ny fanajana ny fisarahana izay fahefana izay. Noho izany, manara-maso ny HCC raha voahaja ny fahefana sy ny lalàmpanorenana. Rehefa tsy voahaja dia eo izy no mamoaka ny didy fanapahana amin`ireo zavatra tsy mety. Ny azo antoka aloha dia hiha mafana io krizy eo amin`ny samy andrim-panjakana na “crise institutionnelle” io.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT