Andrim-panjakana

> Hanidy trano ny MAPAR


  • Alatsinainy 10 Febroary 2014

Totoafo ny fivorian’ny MAPAR (Miaraka amin’ny prezida Andry Rajoelina) tato ho ato. Re tsiliantsofina tao anatin’izany fa dia hanao izay hibodoana ny toerena eny Mahazoarivo ka hatreny Tsimbazaza ity vovonana politika ity.

Litanian’izy ireo ny hoe ny MAPAR no manana ny maro an’isa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, koa dia tsy maintsy hiainga avy ao aminy ny praiminisitra. Eny Tsimbazaza indray dia hampiasa izay maha maro an’isa azy izay ny MAPAR ka hanao izay hametrahana ny olony eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena. Miverimberina ao anatin’izany ny anaran-dRtoa Razanamahasoa Christine, minisitry ny fitsarana nanomboka teny an-dalambe teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey sy nandritra ny tetezamita ary voafidy ho solombavambahoaka tany Ambatofinandrahana farany teo, tamin’ny anaran’ny MAPAR. Horaofin’ity vondrona ity koa ireo toerana hafa ao amin’ny Birao maharitra indrindra ireo filoham-baomiera samihafa. Raha akapoka dia hanidy trano tanteraka ny MAPAR. Nisy alim-pikoranana nataon’ity farany teny amin’ny Paon d’Or ny alin’ny sabotsy teo nandaminana izay paipaika politika izay. Tazana teny, nanatevin-daharana, ireo solombavambahoaka tsy miankina toy ny an’ny GPS (Groupe Parlementaire Spécial) tarihin’i Jaon Elite, ny an’ny PSD… Nantsoina tamin’ity lanonana ity ireo mpiara-miasa akaiky amin’i Hery Rajaonarimampianina, izay hita ho nihafihafy ihany. Manoloana ity fihetsiky ny MAPAR tato ho ato ity rahateo dia ho sahirana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izay nilokaloka fihavanam-pirenena sy firaisankinam-pirenena ary milaza ny hanoka-baravarana amin’ny hafa. Raha ny lojikan’ny fihetsik’ity vondrona politika dia izy ireo izao no mitondra satria sady olony ny filoham-pirenena no manana solombavambahoaka ny maro an’isa ka dia miandry fifidianana manaraka ny ankoatra izay.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT