Politique

Andriantsizehena Benja Urbain ”Tsy ny isan’ny seza no zava-dehibe ho an’ny UDR-C”


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Hitohy rahampitso alakamisy indray ny dinika politika eo amin’ny TIM sy ny TGV miampy ny UDR-C eny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola. Hisy ny fanaovan-tsonia ilay fehin-kevitra lasitra amin’ireo mpiara-midinika raha toa ka ankatoavin’ny mpitarika ny ankolafy izany araka ny fanazavana azo.

Nohamafisin’i Benja Urbain mpikambana ao amin’ny UDR-C sady filoha lefitry ny Kongresy fa hitondra vahaolana amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena ny fifampidinihina sy ny fidiran’ireo Ankolafy Telo amin’ny fitantanana satria izay no takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Manolotra olona maromaro ho mpikambana eo anivon’ny governemanta ary koa mitazona ny Praiministra am-perinasa ho eo amin’ny toerany ihany koa ny UDR-C raha ny fanazavany ihany. Tsy mbola namboraka izay fizaran-tseza araka izay voarakitra amin’ny fifanarahana kosa anefa ny tenany. Ataonay ampy izay toerana azo na firy na firy. Tsy ny isa akory no zava-dehibe".

Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny toerana sy mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita izay tokony hohatevenina na dia efa misy ny hery politika rehetra aza ao, saingy miankina amin’ny tetibolam-panjakana no ahafahana manatanteraka izany. Nambarany koa fa ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita no mandray an-tanana ny fitantanana ny firenena mandra-pahavitan’ny fifidianana eken’ny rehetra izay tokony hangarahara sy madio. Anisan’ny nanohana ny fanemorana ny datin’andro hanatontosana ny fifidianana depiote koa ny tenany sy ny UDR-C satria “mbola tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoanan’ny orana izany daty izany ka mbola handinika ny Parlemanta”. Ny Parlemanta anefa no tompon’ny teny farany na izany aza, hoy izy. Efa ela no vonona hirotsaka amin’izay fifidianan rehetra hiseho ny UDR-C raha ny nambarany ihany.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT