Andriantsizehena Benja Urbain

> Elanelam-panahy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena


  • Alarobia 12 Febroary 2014

Anisan’ireo mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita mbola hamerina kilasy eny Tsimbazaza fa hisalotra kosa ny anarana solombavambahoaka amin’izay Atoa Andriantsizehena Benja Urbain filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita.

Marihina fa voafidy tany Manakara tamin’ny anaran’ny VPM/MMM ny tenany. Anisan’ny depiote tsara toerana hitarika an’ity rafitra mpanao lalàna ity i Bebain satria manakaiky kokoa ny masontsivana takian’ny marimaritra iraisana sy ny fitoniana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Akaiky ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery sy ny mpiara-dia aminy ny lehilahy sady afaka mifampiresaka amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny tariny ihany koa ary efa zatra nifampitafa tamin’ireo tsy miankina amin’ny maha filoha lefitry ny Kongresy azy nifanerasera be taman’olona. Raha fehezina dia elanelam-panahy eo anivon’ity Antenimieram-pirenena vaovao ity ny tenany. Tsy nandà ny mety ho fiantsorohana izany toerana maha filohan’ny Antenimieram-pirenen’ny Repoblika faha-4 izany moa ny depiote Andriantsizehena raha nanontanian’ny Tia Tanindrazana saingy miankina amin’ilay Nahary ny fanapahana ho amin’izany, hoy izy. Mikasika ny fanasarahana an’i Vatovavy sy Fitovinany dia iombonako hevitra tanteraka ireo izay mikasa sy mangataka izany, hoy ity solombavambahoaka ity, satria midadasika loatra io Faritra io ka misy Distrika lasa an-kilabao. Nanamafy anefa ity Depiote ity fa mbola ilaina ny fisian’ny Faritany 6 na dia eo aza ny Faritra 22 satria izy ireo no mandritra ireto farany.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT