Hamita sy hanatanteraka ireo fampanantenana nataoko ho an’ny vahoakan’i Manakara tamin’ny nirotsahako hofidiana Ben’ny tanàna ny 12 desambra 2007 no mbola hirotsahako indray, hoy i Andriano Giscard.
Anisan’ireo kandida telo nahatafapetraka ara-potoana ny antontan-taratasy filasatahan-kovidiany tao Manakara renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany izy, raha notazonin’ny FAT ihany aza ny datin’ny 20 desambra 2010 nofaritany hanatontosana ny fifidianana Ben’ny tanàna. Kandida tsy miankina i Giscard amin’ity indray mitoraka ity raha tamin’ny anaran’ny Tiako i Madagasikara no nahavoafidy azy tamin’ny salanisam-bato 64% ny taona 2007. Nofofoin’ny olon’ny KMD tao Manakara ny ainy sy ny fianakaviany tao anatin’ireny fanonganam-panjakana nitranga ny martsa 2009 ireny.
Nanaovan’ny FAT paipaika ara-pitsarana indray nanomboka ny volana jolay 2009, ka nolazaina fa nametra-pialana mba hanilihana azy teo amin’ny fitantanana ny Kaominina ka hametrahana PDS. Niakatra teny amin’ny Fitsarana ny raharaha. Septambra 2009, nahazo rariny ary naverin’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana hiverina amin’ny asany ka manana ny fahefana feno hanohy ny andraikitra maha ben’ny tanàna azy i Andriano Giscard. Tsy vita teo ny raharaha, tsy nanaiky lembenana ireo tsy maty voalavo an-kibo. Nanendry PDS avy hatrany ny FAT. Niakatra teny amin’ny Filankevi-panjakana ny raharaha. Nanamafy ny didy navoakan’ny TAF Fianarantsoa ity sampan’ny Fitsarana tampony ity.
Nahazo rariny ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka. Niditra an-tsehatra indray ny governemanta FAT ary namoaka didim-pitondrana manamafy ny fanendreny PDS hitantana ny Kaominina ambonivohitr’i Manakara, izay tarihin’i Sileny Alban. Amboletra avokoa ny tohiny. Niharihary teo ny fanaovan’ny FAT fitaovana ny fitsarana. Nisavorovoro tao Manakara vokatr’io manjakatokana ampiharin’ny FAT io. Mitsipozipozy mandraka ankehitriny ny fiainan’ny Kaominina. Ny hanarina ny lesoka misy ankehitriny ary koa hamaly ny antson’ny vahoakan’i Manakara indrindra ny tanora maro maniry ny mbola hiverenan’i Giscard hitantana ny Kaominina, hanarina ny tanàna, no naharesy lahatra azy hirotsaka hofidiana. Ho an’ny mpanara-maso dia fanamby ny an’i Giscard ary te hanaporofo amin’ireo mpifanandrina politika aminy izy fa mbola tian’ny vahoakan’i Manakara ary any aminy ny maro an’isa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.