Politique

Andraikitry ny loholona Na ireo mpifidy vaventy aza vitsy no tena mahalala


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Vokatry ny tsy fifampitokisana misy eto amin’ny firenena sy napetraky ny

 

 

 

fitondrana nifandimby no mahatonga hatrany ny disadisa toy izay mbola heno nandritry ny fifidianana loholona teo, hoy ny kandida loholon’ny Independent Faly, Dany Rakotoson. Izany no anton’ny filana fanomezana hasina tsara ny lafiny fitsarana eo amin’ny resaka rafitra mba hisian’ny rafitra mahaleotena eto amin’ny firenena. Ny tena tanjona dia ny handrosoana. Ny olona apetraka eo fotsiny dia izay hitondra amin’izany. Izay ilay averiko foana hoe mba tokony olona manana fotokevitra no kandida mba hisy hiaro ny resaka mahaolona, ny fihariana, ny tontolo iainana. Matoa mahantra isika Malagasy dia satria tsy ampy ilay miahy ny tena maha Malagasy. Ny nampalahelo tamin’ity fifidianana loholona ity dia ny tsy fahampian’ny ady hevitra. Na ireo mpifidy vaventy aza vitsy no tena mahalala ny andraikitr’izany loholona izany. Maika moa fa vahoaka tsotra. Tsy nisy fanazavana loatra izany anefa fa tonga dia ny hoe fidio ny lisitra izao no tena be dia be, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT