Politique

Andevozin’ny kajy politika Voazimbazimba hatramin’ny sainam-pirenena


  • Talata 17 Novambra 2020

Tsy fitia te hitsikera be fahatany, fa efa tena mihoatra ny fefy kosa ny fanindrahindrana ny loko politika « orange »,

 

 

 

 izay mety mampanaotao foana. Hatrany amin’ny sainam-pirenena avy no voazimbazimba. Asa izay ho fijerin’ny mpahay lalàna na ny mpandinika sasany, fa raha ny fahitana azy, dia voazimbazimba ny sainam-pirenena Malagasy nandritra ny lanonam-pametrahana samboadin’ny ben’ny tanàna tao Belo/Tsiribihina. Sainam-pirenena natao amin’ilay endriny mitsivalana, hampiasaina hanaovana ravaka amina lanonam-panjakana ofisialy no taingenana lamba miloko vonim-boasary tandindon’ny loko politikan’ny antokon’ny fitondrana ankehitriny. Mety ho azo hamaivanina izany ho an’ny sasany, saingy manahirana ity fihezahana hanome loko politika ity ny raharaham-panjakana ity, ary toa fanitsakitsahana tsotra izao ny hasin’ny sainam-pirenena sy ny fiandrianam-pirenena ilay izy. Tsy vao izao no nisy zavatra miteraka adihevitra tahaka io, fa efa maro. Aiza ve ka hatramin’ny Biraon’ny Bianco tany amin’ny Faritra Sava nampiasana ny loko « orange », ny sekoly lokoina an’io,… ny Kianja, ny biraom-panjakana,… lokoina loko vonim-boasary sy ny lokon’ny Fikambanana Fitia an’ny  vadin’ny Filoham-pirenena ; tahaka ireny hoe lasa raharaham-pianakaviana ny fiainam-pirenena. Mety misy ny azo leferina fa ny sasany tena miharihary mihitsy ny fampiasana loko politika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Izany sekoly izany izao tsy mety mihitsy izany loko midorehitra ao anaty efitrano, fa mila malefaka, raha resaka lafiny teknika sy pedagojika. Tsy voatery hapetraka ho lalàna ny fanajana ny sainam-pirenena sy ireo lafin-javatra mifandraika amin’izany, fa mandeha ho azy ny fandalanjalanjana hoe izao no mety ary izao tsy mety, raha mpitondra manana etika, fa tsy baikoan’ny loko sy ny kajikajy politika lava. Ny zava-misy eto anefa tena mibahan-toerana loatra ilay antsoina hoe : « marketing politique », hany ka toa lasa manao ny tsy fanao sy mivaona tanteraka ny olom-boatendry sy olom-boafidy sasany. Ezahina hanasongadinana sy hanindrahindrana ny loko sy ny antokon’ny mpitondra avokoa ny zava-drehetra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT