Politique

Anaty krizy i Madagasikara Mikorontana ny fahefam-panjakana


  • Talata 02 Febroary 2021

Matoa tsy miroso ny asa fampandrosoana, fa mijanona amina fanaitairana sy

 

 

 

sanatria fanova-maso fotsiny dia misy fomba fiasa tsy mirindra ao. Tsy to-teny ny fahefam-panjakana, tsy mazava amin’ny olona tokony hanatanteraka azy ilay vina sy programan’ilay filoha.

Manjavozavo

Mety ao ihany koa ny fifanitsahan’andraikitra sy tsindry bokotra. ohatra: governora mitrerona minisitra, governora (olom-boatendry) mibaiko depiote (olom-boafidy). Miteraka fahasosorana izany ka mandrava ho azy ny «esprit d’équipe» na fiaraha-misalahy. Tamin’ny 15 janoary 2021, nisy fanambarana ofisialy tsara izao hoe ahemotra afaka andro vitsy ny fanazavan’ny filoham-pirenena momba ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar), satria mbola misy fifampidinihana amin’ny mpamatsy vola. Febroary ihany izao tsy hita popoka izay resaka PEM sy ny hoe mety ho fisondrotan-karama. Vahaolana tsara indrindra hita ve ny manao lavadrano erak’Antananarivo? Dia ahoana no hakana io rano io izany ? Sao vahaolana hiteraka olana tahaka ny tamin’ny tosika fameno sy vatsy tsinjo indray? Tsy misy hevitra mihitsy ve ilay fitarihana rano sy fanamboarana ny fantsona efa misy? Ny resaka trafikana volamena, zara raha re feo ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany mba tsy hitenenana hoe moana marenina,ny minisitra hafa indray no tena be resaka. Ny praiminisitra tahaka ny hoe anaty fialan-tsasatra izany foana, ary tsapa ho tsy te hiditra lalina indraindray, toy ny resaka trafikana volamena kanefa izy no Lehiben’ny Fitantanan-draharaham-panjakana.

Aiza ny fanaraha-maso ?

Ankoatra izay, mba misy fanaraha-maso matotra ve ilay hoe fanamboaran-dàlana eto an-dRenivohitr’i Madagasikara ? Ny eo mantsy tsy vita , ny lalana hafa miha simba ihany. Mbola misy ihany ny fako misavovona. Mirodana ny tranobe vao hoe tsy nahazo « permis de construire» io, izay tokoa ve sa nahazo fahazoan-dàlana vorintsiloza dia miala bala ny tompon’andraikitra.Iny trano be iny irery ve no tahaka izany sa misy hafa? karazan-trano anie izany mitsangana eto Antananarivo izany. Misy mandany ron-doha mihitsy manaratsy sy manenjika ny mpanohitra, ny mahazatra any amin’ny firenena demokratika rehetra dia ny mpanohitra no manenjika ny mpitondra, fa ny mpitondra amin’ny alalan’ny asa no hampisehoany hoe mahavita izy na tsia fa tsy mitatasika etsy sy eroa sy manakarama mersenera facebook. Ny Depiote IRD mbola iray tsy mivaky marina ve ? Maro ihany mantsy ny feo mandeha etsy sy eroa. Resaka sy fampanantenana no betsaka fa ny Malagasy miha mahantra, ary ny tena mampatahotra dia toa tsy mahafehy ny olony intsony ny filoham-pirenena ary dia izy no mizaka sy hizaka ny mangidy rehetra raha sanatria tsy hita izay vahaolana.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT