Politique

Ampitatafika Nosamborina ny zanaky ny depiote Hanitra


  • Alatsinainy 22 Febroary 2021

Nosamborina ny sabotsy tokony ho tamin’ny 5 ora hariva rehefa natao fisavana tamin’iny làlan’Ampitatafika iny i Me Francesca mpisolovava,

 zanaky ny Depiote sady mpisolovava Rtoa Hanitra Razafimanantsoa. Raha ny fanazavana tsotsotra azo, dia niaraka tamina namany vitsivitsy izy no nosakanan’ny Mpitandro filamanana nanao “PR” teo Ampitatafika natao savahao ny fiara. Natokana ny 3 vavy hoe manaraka any amin’ny Paositra, natao savahao na “fouille corporelle” mihitsy. Tsy nahitana na inona na inona, avy eo nangataka ny  ho any amin’ny “toilette” na ny toeram-pivoahana ny Me Francesca, zanaky ny depiote Hanitra. Rehefa nivoaka izy dia nisy zandary niditra tao amin'ny douche dia niteny hoe io misy taratasy kely miforiporitra misy rongony "chanvre indien" kely. anao io saika harianao ve? Nandà ny zanako, hoy  ny depiote Hanitra Razafimanantsoa araka ny fanazavany omaly teo amin’ny pejiny ka nanao hoe : "nisolo serviette no nataoko fa tsy hametraka rongony ao". "izaho tsy mifoka rongony no sady tsy mitazona rongony". Tsy najanona tao amin’ny paositry ny zandary Ampitatafika fa nalefa teny amin’ny tobin’ny zandary Ankadilalana izy avy eo. Natao ny fakana am-bavany natrehin’ny Holafitry ny mpisolovava. Vita izay dia lasa daholo ireo nanotrona azy. Miteny avokoa izay rehetra mandalo hoe asaivo mankaty mamanao dia milamina ianao avy eo, hoy hatrany ny fanazavana avy amina loharanom-baovao iray. I Me Hanitra Razafimanantsoa, izay ny sabotsy no efa nandeha ny resaka fa hosamborina. Andrasana izay mety ho fanazavana avy amin’ny mpanao famotorana, fa raha raisina amin’io loharanom-baovao io, dia natao jono mba ahafahana misambotra ny mamany ny zanak’i Me Hanitra Razafimanantsoa.

 

 “ATAONAREO TAKALON’AINA IZY”

 “Reny niteraka, marary tena marary nefa... Manao lalao maloto tena maloto ianareo. Tsy politika intsony ! Izaho no manao politika fa tsy ny zanako vavy. Tsy misy idirany izay ataoko sy izay conviction-ko. Marary ny zanaka sombiniaina rehefa kitihina sy potehina ary gadrainareo amin'ny zavatra tsy marina. Azonareo atao tsara ny mamorona dosie, fa ny marina tsy maintsy ho hita”, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny pejy facebbok-ny. Tratranareo izy, nofandrihanareo izy. Ataonareo “otage” sy anaovanareo “chantage” izy izao hoe asaivo tonga aty ny mamanao dia milamina io. Efa nataonao tamin'olon-kafa koa io fa tsy voalohany. Fantatro tsara ny zanako fa tsy mifoka rongony izany. Tsy mitazona sady tsy mivarotra “chanvre indien” izany. Sanatria dia sanatria ! Vavikely io. Manana ny asany sy toerana misy azy. Tia olona sy namana ary manampy sy mamonjy olona foana. “avocat” izy. Ohatry ny mamany, ampy azy ny asa ataony. Maro zareo no niaraka ary nisy vavy 3 fa izy no “ciblée” na nokendrena. Vitanareo ny mamotika ny fiainany ! Fantatro tsara ilay olona nampanao an'io sy ny mpiray tsikombakomba aminy fa hoteneniko eo ihany ! Ianareo tokoa no mitondra”, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT