Politique

Ampela Manao Politika Tontosa ny fiaraha-mitantana raha misy ny fihavanana


  • Zoma 07 Janoary 2011

Isan’ny antoko zandriny indrindra izay niforona tao anatin’izao fitondrana tetezamita izao ny Ampela Manao Politika izay tarihin’ny Dr Rasamoelina Brigitte. Feno herintaona amin’ny 28 janoary izao ny nitsanganan’ny antoko izay manana vina ny hametraka ny miralenta amin’ny fitantananan-draharaham-panjakana.

Tarigetrany koa anefa ny tany tan-dalàna sy ny fanjakana tsara tantana. Nambaran’ny filohany fa betsaka ireo andriambavilanitra no manana ny fahaizamanao sy fahavononana handray andraikitra saingy natao ankilabao hatrany izy ireny indrindra eny anivon’ny antoko misy azy. Ny hiadiana amin’izay zava-misy izay indrindra no tanjon’ny Ampela Manao Politika, hoy hatrany izy. Marihina fa 8% monja ny tahan’ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fitondram-panjakana tamin’ny taona 2008. Tao anatin’izay 12 volana izay dia tsy nitsaha nivelatra ity antoko ity izay efa manana ny rantsany amin’ny faritra 12 sy mpikambana 10.000 latsaka kely. Efa tafapetraka avokoa ny rafitra isaky ny distrika eto anivon’ny faritra Analamanga raha omaly kosa no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny birao amin’ireo boriboritany 6 nandritra ny fifampiarahabana noho ny Asaramanitra.

Mandritra ny kaongresiny voalohany izay ho tontosaina eto Iarivo ny faran’ity volana ity no hanomezan’ny antoko ny heviny momba ireo fifidianana rehetra ho avy na handray anjara izy na tsia. Momba ny raharaham-pirenena kosa dia resy lahatra koa ity andriambavilanitra, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity, fa ho tontosa ny fiarahamitantan’ny antoko sy hery politika rehetra ny tetezamita rehefa misy ny fihavanana marina. Mandrisika ireo ankolafy rehetra ny tenany noho izany mba samy hampandefitra ny hambom-pony.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT