Anio amin’ny 8 ora maraina eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahatelo ny fitsarana ny raharaha nitorian-dRabaonarijaona Holijaona an’i Mahery Lanto Manandafy (MLM).
Ampamoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera tamin’ny 7 mey 2019 no niantombohan’ny resaka, nilazan’i MLM fa mpisoloky i Holijaona Rabaonarijaona izay nivarotra ny tetikasa IEM tamin-dRajoelina. Izy no fototry ny fionganan’ny Profesora Zafy Albert,… Tale Jeneraly lefitry ny Flamco tamin’ny taona 1994, izay fisolokiana goavana nakana vola in-telo nisesy manodidina ny 3.4 tapitrisa dolara tao amin’ny BTM (Bankin’ny Tantsaha Mpamaokatra), ka 10,2 tapitrisa tsy nisy antoka mazava. Mety ho toy izay ihay koa ny IEM avy amin-dRabaonarijaona, raha halalinina ny hevitr’i MLM; Niantso ny filoha ankehitriny ho mailo amin’ireo mpiara-misa aminy moa i MLM tamin’io. Toa mampiteny olona kosa ny mpitory, ka nilaza omaly ny Fikambanana Cartel tarihin’ny mpisolovava Razanatahiana Florence fa eken’ny mpamatsy vola sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny IEM koa maninona no lazaina fa fisolokiana ? Nambarany fa fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena sy fanalam-baraka ny an’i MLM. Nolazaina ihany koa fa mpikarama an’adin’ny mpandraharahan’ny solika te hiaro ny tombotsoany sy te hametraka lalàna mifehy ny vidin-tsolika amin’ny tsena iraisam-pirenena i MLM. Raha ny fahitana io fanambarana io, dia ezahina halentika sy hogadraina i MLM. Matoa anefa sahy mamoaka zavatra tahaka ireny, dia mahalala zavatra sy tsiambaratelo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.