Mbola manohana an’i Dada ny 70%-n’ireo any Faritra Amoron’i Mania na dia misy aza ny mpanatsatso, araka ny fanazavan-dRakotoarison Phillipe, Ben’ny tanŕnan’ny Kaominina ambonivohitra Ambositra.
Miandrandra mafy ny fahatongavan’i Dada avokoa, araka izany, ny ankamaroan’ny mponina no sady manantena azy handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’io taona 2013 ho avy io. Tato anatin’ny iray volana izao, araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity ihany, manao fivoriana isaky ny sabotsy ireo mpanohana an’i Marc Ravalomanana any amin’iny Faritra iny. Mifamotoana isan-tokantrano izy ireo. Ankoatra ny fampidirana mivantana ny hetsika etsy amin’ny Magro dia mandray mivantana ny antson’ny filoha Ravalomanana avy any ivelany ihany koa izy ireo. Mikasika ny fandriampahalemana indray dia nambaran’ity Ben’ny tanàna ity fa milamindamina ny ao amin’ny Kaominina iadidiany na dia mirongatra aza ny asan-dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Noho ny fisian’ny sekolin’ny zandary ao an-toerana no antony. Nambaran’ingahy Ben’ny tanàna ihany fa ny polisy no tena miandraikitra ny fampandriana fahalemana ny tanàna izay manao fisafoana in-telo mandrapaharainan’ny andro. Ankoatra izay, tsy maintsy mandeha tsiroaroa ihany koa ny olona fa tsy mahazo mandeha irery intsony. Ho an’ireo mpandeha miala taksiborosy avy lavitra dia tsy maintsy aterina isam-baravarana izy ireo na mijanona ao amin’ny «Gare Routière» raha diso alina loatra mba hisorohana ny loza mety hitranga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.