Amoron’i Mania

> Miandry valimbabena amin’ireo depiote dimy voafidy ny mponina


  • Alakamisy 20 Febroary 2014

Nanomboka ny talata 18 febroary 2014 teo ao Tsimbazaza ny fivoriana manokan’ireo solombavambahoaka voafidin’ny mpiarabelona. Depiote voafidy tao Ambatofinandrahana no voafidy ho filohan’ny Antenimieram-pirenena izay efa fantatry ny mpanara-baovao mialoha tao Amoron’i Mania.

Tsy ahoan’ny olona loatra anefa izany fa ny fiantraikan’ny asa fampandrosoana any amin’ny Distrika tsirairay nahalany azy ireo no zava-dehibe andrasan’ny maro. Ho an’ny Distrikan’Ambositra dia manana depiote roalahy lanim-bahoaka dia Andrianarivo Harimampianina Razakarivelo sy Rakotosolofondraibe Zakamady. Ramatoa Razanamahasoa Christine Harijaona, filohan’ny Antenimieram-pirenena kosa no depioten’Ambatofinandrahana, Raharimalala Marie Lydia ny an’i Fandriana ary Andrianjanahary Fanomezantsoa no depiote ao Manandriana. Depiote samy manana ny maha izy azy avokoa izy ireo. Tokony hisy ny fifaninanana masina hataon’izy ireo hiteraka fampandrosoana mba ho hita taratra tokoa fa tena solombavambahoaka izy ireo fa tsy ho mpanao politika mitady seza fotsiny, hoy ny ankamaroan’ny olona nanaovana fanadihadiana tao Ambositra. Mbola maro ireo olana sedrain’ny Faritra Amoron’i Mania ka antenain’ny maro hanarina izany ireto depiote ireto, toy ny fotodrafitrasa sy sosialim-bahoaka mila fanovana izay ilana ny fanjakana foibe. Miandry valim-babena avy amin’izy dimy mianadahy ny vahoaka nifidy azy ireo satria betsaka ireo fampanantenana nataon’ireo depiote lany ireo nandritra ny fampielezan-kevitra.

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT