Mbola maro ireo asa fampandrosoana mila atao sy ilana fanarenana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, izay nampanantenain’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fampielezan-kevitra nataony tany an-toerana.
Anisan’ireny ny kianja filalaovam-baolina ao Ankorombe Ambositra izay nampanantenain’ny filohan’ny tetezamita teo aloha tamin’ny 2009 fa hamboarina hanara-penitra nefa tsy natomboka ny asa hatramin’izao. Mihapotika hatrany ireo lalana mampitohy ireo Kaominina maro toa an’Ambositra-Ambinanindrano, Ambatofinandrahana-Mangataboahangy hatrany Morondava, Fandriana-Miarinavaratra, Antsahakely-Ambatofinandrahana sy ny maro hafa. Efa simba ny ankamaroan’ireo lalana namboariny hatramin’ny taona 2012 toy ny «Vitrine de l’entretien routier» mampitohy an’Ambositra sy Imadiala ary Fandriana ary ny any Midongy Andrefana. Mbola olana goavana koa ny sosialim-bahoaka, vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana, ambany ny fahefa-mividin’ny tantsaha, maro ireo mpianatra tokony hianatra no tsy afa-mianatra. Tsy mbola voavaha ny olan’ny mpampianatra FRAM, izay marihina fa Faritra faharoa teto Madagasikara nitaky ny zon’ny mpampianatra ny tao Amoron’i Mania. Tsy mbola hita taratra hatramin’ny taona 2013 no ho mankaty ny fanamboarana fotodrafitrasa sy fanarenana ataon’ny fanjakana na dia teo aza ny fahavitan’ireo biraon’ny Kaominina sy tsena vitsivitsy.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.