Politique

Amiraly Ratsiraka Tsy hivadika amin’izay nifanekeny


  • Zoma 17 Desambra 2010

Mazava ny resaka ankehitriny mikasika ny fihaonan’ny amiraly Ratsiraka sy Tantely Andrianarivo, praiministrany farany, tany frantsa ny talata lasa teo.

Fantatra mantsy, araka ny loharanom-baovao akaiky ity fihaonana ity, fa nanamafy i Deba sy ny ankolafy tarihiny fa tsy hivadika amin’izay efa nifanarahany tamin’ireo filoha nitondra an’ity Madagasikara ity sy ny mpiray tanindrazana aminy. Mazava fa dia ny fifanarahana vita sonia tany Maputo sy tovana tany Addis Abeba no resaka eto. Nivoitra tamin’io fihaonana io ihany koa fa tsy ho Praiministr’i Andry Rajoelina izany i Tantely Andrianarivo. Nisinda teo izany ny ahiahin’ny maro ary foana koa ny kajikajy politikan’ny mpanao politika sasany izay nivoy resaka teto fa manao pi-maso amin’i Andry Rajoelina i Tantely Andrianarivo, fa te hitana ny toeran’ny praministry ny marimaritra iraisana.

Mbola io loharanom-baovao io ihany koa no mitatitra sy manamafy fa hiverina an-tanindrazana ny 19 desambra ho avy io i Tantely Andrianarivo, ary izy no handray an-tanana ny Komity manomana ny fahatongavan’ny amiraly Ratsiraka. Efa nivoaka hopitaly rahateo ny zanany lahy, Xavier Ratsiraka, izay notsaboina sarakaty, saingy mbola anatin’ny fepotoana 40 andro fakana aina izy amin’izao fotoana. Ny amiraly Didier Ratsiraka rahateo moa nilaza fa hampilaza dimy andro mialoha rehefa hitodi-doha an-tanindrazana. Mazava izany fa dia nanamafy ny fodiany an-tanindrazana i Deba, saingy ny azo antoka aloha dia tsy ho amin’ity taona 2010 ity izany. Ireo angom-baovao ireo no mbola manaporofo indray fa “Homme d’Etat” i Didier Ratsiraka, mitazona ny teny nomena. Raha izay no izy dia tsara tsodrano izany ireo nivadika !

 Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Ireo filoham-pirenena Malagasy voafidim-bahoaka nandritra ny fihaonana fikaroham-bahaolana tamin’ny krizy natao tany Addis Abeba ny novambra 2009
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT