Misy zavatra diso tsy mifanaraka amin’ny tantara, ka aleo hitsiana dieny mbola velona aho, hoy ny Amiraly izay nanazava zavatra maro tamin’ny fandarahana nataony tamina fahitalavitra iray omaly alina. Isan’izany ny nilazany fa tsy nanana olana tamin’ny Kolonely Ratsimandrava, ary efa izy no noresahina voalohany handray ny fahefana saingy nolaviny.
Anisan'ny nanapotika ny firenena ny vahoaka Malagasy. Raha tsy nanaraka an'ireo olona ireo teny amin'ny 13 may nanao ooohh aahhh anareo dia tsy tahaka izao ny firenena, miala tsiny aho, hoy izy. Mikasika ny coronavirus kosa dia tsy lesoka ny tsy fanajana fitsipika na ny “discipline”, ary maneran-tany dia ireo firenena manaja ny “discipline” toa an’i Suisse, Hongrie, Autriche no tsy dia misy maty. Miala fondro miala salohy fito aho, fa loza be ny hoe afaka mijanona any an-tranony ny olona voamarina fa voa ka sao hanahirana antsika. Hamindra aman’olona folo, dimampolo,… ka miala tsiny Tompoko, hoy ny Amiraly. Raha izaho no nanao fiara elekrika na nandeha tamin’ny menaka no nataoko. Isika efa nanana ny karenjy, efa nanao ny fiaramanidina hitsikitsika, saingy potika, hoy izy. Tsy laharampahamehana ny Kianja Masoandro amiko eo anatrehan’ny coronavirus, ka fahendrena ny fampiatoana azy. Ilaina ny fifanarahana sy fakan-kevitra na an’ny Malagasy io na an’Antananarivo, raha ny heviny. Raha hanao tanàna vaovao tokony ho 40KM miala ny renivohitra. Isika nilaza hahavita tena ara-tsakafo, kanefa teny Ambohitrimanjaka saika hanototra tanimbary. 140 tapitrisa dolara ny vola mivoaka eto makany amin’ny “Paradis fiscal” any ivelany izay tokony hiverina eto. Ananantsika 8 tapitrisa dolara ny Ambatovy, ka maninona no tsy alaina ny 2 tapitrisa dolara hanaovana sosialy? Hoy Ratsiraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.