Politique

Amiraly Didier Ratsiraka « Avereno ny fahamehana na manaova lalàna vaovao »


  • Talata 19 Janoary 2021

Amin’ny maha zokiolona sy raiamandreny sady filoha teo aloha ny tenako, dia

 

 

 

teren’ny eritreritro aho hanao fanairana ho an’ny vahoaka sy ho an’ny mpitondra, hoy ny Amiraly Didier Ratsiraka Filoha teo aloha teo amin’ny tambajotran-tseraserany omaly tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Araky ny vaovao tonga aty amiko dia betsaka ny tobim-pahasalamana mitaraina fa tsy ampy ny fitoavana ao aminy (fitiliana, oxygene, masques, akanjo ...). Raha tsy maha diso re tompoko dia mba zaraiko aminareo ny hevitro : tsy fotoan’ny ady hevitra momban’ny « deuxième vague » na « nouvelle vague » intsony izao fa mitady hirongatra indray ity valan’aretina mampidi-doza ity isam-paritra, hoy izy. Aleo misoroka toy izay mitsabo, noho izany, ataoko fa tsy vitan’ny fananarana sy fanairana ny isambatan’olona intsony izy ity fa tokony hazava tsara ny fitsipika hifampifehezana. Amiko tokony averina ny fampiharana ny lalàna momba ny hamehana ara-pahasalamana. Na manao lalàna vaovao. Satria misy vaccuum juridique, misy banga ny lalana ihainantsika ankehitriny. Ahoana tokoa moa no hanasaziana ny olona tsy manao aro-vava sy orona eny an-dalambe, na ireo tsy manaja ny elanelana ray metatra ,na tsy mampiasa « gel hydraualcoolique » nefa tsy misy intsony lalàna mifehy an’izany? Hoy ny Amiraly. Ahoana no hanerena olona hanao aro-vava sy orona nefa ny vola hivelomany isan’andro ary tsy ampy ? Tokony zaraina maimaimpoana isan-tokatrano na isam-batan’olona mihitsy izy ireny ary tokony ampitomboina folo avo heny ny fitiliana manerana an’i Madagasikara, satria maro ireo Malagasy avy amin’ny toerana tsy nisy virus nefa miakatra an-tanan-dehibe nefa tsy manana “masque”. Farany fa tsy latsa-danja, araky ny efa nambarako teo aloha, tokony arovana ny fahasalaman’ireo mpitsabo isan-tsokajiny, ary omena “prime de risque” tambin-karama manokana amin’ny asa natrehany sy izay mbola atrehan’izy ireo noho ity valan’aretina ity. Ady iombonana izy ity fa tsy vitan’ny mpitondra irery fa isika vahoaka Malagasy mihitsy no mila mahatsiaro tena hiaro ny tenantsika sy ny ankohonantsika mba tsy hiverenana amin’ny fihibohana indray ary tsy ho faly ny hifanome tsiny lava izao. Miala tsiny, miala fondro, miala salohy fito raha misy manafintohina anareo izao teniko izao, hoy ity Filoha teo aloha ity. ‘

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT