Nanamarika ny dian’ny filoham-pirenena any New-York omaly ny fihaonany tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Ban-Ki Moon sy tamin’ny solontena maharitra amerikanina eo anivon’ny Firenena Mikambana, Rtoa Samantha Power. Na ny Amerikanina na ny Firenena Mikambana dia samy manery ny hananganana haingana governemanta misokatra, mialoha ny hirosoana amin’ny tena fiaraha-miasa. Tsy manan-tsafidy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, indrindra manoloana ny Firenena Mikambana izay anisan’ny niantoka ny fahatontosan’ny fifidianana teto, ka nambarany fa laharampahamehany io fananganana governemanta io vao tafaverina aty Madagasikara izy aorian’izao diany any Etazonia sy Eoropa izao, izay ho amin’ny herinandro ambony iny. Be ihany izay fe-potoana efa nambarany fa hitsanganan’ny governemanta izay, fa ambatobevohoka hatrany aloha hatreto.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.