Mavitrika hatrany ny fandraisan’anjaran’ireo mpiara-dia amin’ny Filoha Marc Ravalomanana ao Ambositra.
Mitohy ny fihaonana isaky ny sabotsy ao amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina Ambositra-I. Fotoana ifampizaran’ny CST Lova Rakotonirina na ny Depiote Lova, ireo vaovao mikasika ny fiainam-pirenena sy hanarahana mivantana ny kabary miseho ao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka Antananarivo.
Ny sabotsy lasa teo dia naneho ny hafaliany ireo Zanak’i Dada ao Ambositra nandre ny hafatra nambaran’ny Filoha Marc Ravalomanana ka samy niray feo tamin’izay nambarany. Hentitra ireo Zanak’i Dada ao Ambositra fa tsy hilefitra amin’ireo izay manakana ny fiverenany an-tanindrazana hampisinda ny krizy volen’ny FAT. Niombon-kevitra tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana ny ao Ambositra izay nilaza fa tsy misy fifidianana vita eto Madagasikara raha tsy tonga izy ary milatsaka hofidiana. Navoitran’ireo nandray fitenenana fa miandry am-pitoniana ny fiverenan’i Dada ny ao Ambositra ary ho tonga marobe hitsena azy aty Antananarivo raha ilaina. Tsy mahalala afa-tsy ny Filoha Ravalomanana ny ankamaroan’ny vahoaka ao amin’ny Faritra.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.