Nitsangana omaly ny « Collectif des parlementaires pour la restauration de l’Etat de Droit, de la Démocratie et de la bonne Gouvernance ».
Anton’io ny ambaran’izy ireo fa tsy fanarahan-dalàna nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta sy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena izay nanao amboletra tamin’ny fepetra nentina nankatoavana ilay PL 001/2020, tao anatin’ny tsy fanajana ny tatitry ny vaomiera ikambanana, isasahana (Commission Mixte Paritaire). Notsiahivin’izy ireo fa araka ny voalazan’ny andininy faha-89 amin’ny lalàmpanorenana, dia ireo lalàna tsotra ihany no azo anaovana vaomiera ikambanana isasahana na « commission Mixte Paritaire ». Mametraka ihany koa ny fitsipika anatin’ny parlemantera roa tonta, fa tsy afaka asiana fanintsiana (amendements) ny hitsivolana (ordonances). Noho ireo antony ireo, dia nanamafy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny vaomiera ikambanana isasahana izy ireo, fa tsy mahefa (incompetent, non habilité) handinika ny fankatoavana ny PL 001/2020, araka ny voalazan’ny andininy faha-96 amin’ny lalàmpanorenana.
MAMPAHATSIAHY NY TOLON’NY DEPIOTE 73
Gaga ihany koa fa mbola teo am-pamolavolana ny fitanana an-tsoratra ny asam-baomiera ny 31 aogositra, dia efa tonga sahady ny taratasy avy amin’ny Praiminisitra mampiantso ny antenimieram-pirenena hankatoa ilay PL001/2020 niantefa tamin’ny Filohan’ny antenimieram-pirenena. Ny tatitry ny asam-baomiera anefa ny 01 septambra vao nalefa tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny Governemanta sy ny Filohan’ireo antenimiera roa tonta. Manoloana ireo tranga ireo, manameloka tanteraka ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena izahay, hoy ireto Parlemantera ireto. Tsy misy hahita tombotsoa amin’ny fitantanana firenena amin’ny tsy fanarahan-dalàna satria izany no fanovana notakiana hatramin’izay, hoy ny fanambarana. Nanasonia izany moa ny loholona Olivier Rakotovazaha sy ny depiote Fidèle Razara Pierre. Toa mampahatsiahy ny tolon’ny depiote 73 tamin’ny aprily 2018 ity fitsanganan’ny eto Madagasikara eto na ny “Vondron’ny Parlemantera ho amin’ny famerenana ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana” ity. Resaka amboletra tamin’ny resaka lalàna tahaka izao no niafara teny amin’ny 13 mey. Asa izay hiafaran'ity indray mitoraka ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.