Tahaka ny tamin’ny fifidianana filoha sy ny fifidianana depiote, , dia azo antoka fa hanao izay ho afany hatrany ny mpitondra sy ny kandidam-panjakana amin’io.
Ny depiote efa maro an’isa, ary tsy maintsy hanao izay hampidirana ben’ny tanàna maro be. Mbola azo antoka ve ny CENI ? Ny governoram-paritra tsy maintsy ho ny namany no ataony eo. Ny Antenimierandoholona izay HVM ny 95% dia efa namoahan’ny Filoha didy hitsivolana ary neken’ny HCC fa azo atao ny manena azy ho 18 raha 63 amin’izao. Efa nisy mpahay lalàna ao anatin’ny fanjakana Rajoelina niteny, fa azo atao avy hatrany ny fifidianana satria tsy misy lalàna mandrara izany. Nodisoan’ny loholona Rakotovazaha Olivier io satria ka didy hitsivolana ny an’ny filoha kanefa tsy mahasakana ny antenimiera hanao tolo-dalàna momba izany koa, hoy izy. Efa tapitra ny 27 mey ihany koa ny fahefan’ny filoha momba ny zo hanao lalàna sy afaka mampanan-kery izany amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, raha ny hevitr’ity loholona ity. Tian’ny fanjakana foibe hofehezina tanteraka ny fitsinjaram-pahefana, fa resaka fotsiny ny hoe omena fahefana bebe kokoa ny faritra, fa tena “verrouillage centralisé” na fanagejana tanteraka miainga avy any ambony no misy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.